Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

EFA VOAKODIA NIALA NY VATO

Daty
Alatsinainy 23 September 2024

Vakio ny Mar. 16:1-8 sy ny 1 Kôr. 15:1-8. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Samy mitantara ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny filazantsara efatra. Araka ny fomba fijeriny avy no nanoratan'ireo mpanoratra ny filazantsara izany tantara izany, kanefa foto-kevi-dehibe iray ihany no voizin'izy ireo, izay hita koa ao amin'ny 1 Kôr. 15:1-8.

Hita miverimberina ireto teboka efatra ireto: maty, nalevina, nitsangana tamin'ny maty, niseho. Ny toko faha-15 ao amin'ny Marka no milaza ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nandevenana Azy. Ao amin'ny toko faha-16 kosa no misy ny nitsanganany sy ny nisehoany, saingy misy mampiavaka azy kely. Milaza fihaonana any Galilia ny Mar. 16:7, "any no hahitanareo Azy"; io no hafatra (jereo ny Jao. 21).

Mahagaga ny olona sasany ny finoan'ny Kristianina Tompo iray nitsangana tamin'ny maty. Kanefa lehibe sady mitombina tsara ny porofon'ny fitsanganany tamin'ny maty..

Voalohany indrindra, ny finoana an'Andriamanitra ho Mpahary (jereo ny Gen. 1,2) dia ampy hahatonga ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fahagagana ho azo inoana. Azo antoka fa manan-kery hananganana an'i Jesôsy amin'ny maty Ilay nahary izao tontolo rehetra izao sy ny fiainana eto an-tany, raha tiany izany. Ny fisian'Andriamanitra dia tsy midika fa tsy maintsy ho natsangany tamin'ny maty i Jesôsy, fa midika kosa izany fa mitombina sy azo inoana izany.

Manaraka izany, foana tanteraka ny fasana. Manaiky izany na dia ireo mpandinika ny tantara izay tsy mino ny fisian'Andriamanitra aza. Raha tsy foana ny fasana fa mbola nahitana faty dia ho nirodana dieny tany am-boalohany ilay foto-kevitry ny fitsanganana amin'ny maty. Ankoatra izany, tsy mitombina velively ilay fanazavana fa nangalarin'ny mpianatra ny fatin'i Jesôsy. Azo antoka fa ho nosakanan'ireo mpiambina tsy hiditra izy ireo. Ary na tafiditra tokoa aza izy ireo ka nalainy ny faty, nahoana no tsy nosamborina mihitsy izy noho izany fangalarana izany? Izao no valiny: fantatr'ireo mpitondra fivavahana fa tsy nanao izany ny mpianatra.

Ary izao koa, olona marobe no nijoro ho vavolombelona fa nahita an'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Maro koa, anisan'izany ny mpianatra, no tsy nino tamin'ny voalohany. Ary i Paoly, izay fahavalo mahery nanenjika ny Kristianina, dia tsy vitan'ny nahita ny Tompo efa nitsangana tamin'ny maty, fa nanova azy tanteraka izany fanandramana izany, ary nanova ny fiainany manontolo.

Farany (na dia mbola misy antony maro hafa aza), ahoana no azo anazavana ny fisian'ny fiangonana kristianina naorin'ireo izay nilaza fa nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty? Nahoana ireny olona ireny no vonona ny hahafoy ny ainy ho an'izay fantany fa lainga? Porofo mahery vaikan'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny fifandrindran'ny fijoroana ho vavolombelona nataon'izy ireo, dia izay nataony avy hatrany taorian'ilay fitsanganana tamin'ny maty (Asa. 3:15), sy ny nataony taona maro taorian'izany (1 Pet. 1:3).

Inona no holazainao raha misy olona manontany anao hoe: "Inona ny porofo anananao momba ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty?"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal