Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

EFA VOAKODIA NIALA NY VATO

Daty
Alatsinainy 23 September 2024

Vakio ny Mar. 16:1-8 sy ny 1 Kôr. 15:1-8. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Samy mitantara ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny filazantsara efatra. Araka ny fomba fijeriny avy no nanoratan'ireo mpanoratra ny filazantsara izany tantara izany, kanefa foto-kevi-dehibe iray ihany no voizin'izy ireo, izay hita koa ao amin'ny 1 Kôr. 15:1-8.

Hita miverimberina ireto teboka efatra ireto: maty, nalevina, nitsangana tamin'ny maty, niseho. Ny toko faha-15 ao amin'ny Marka no milaza ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nandevenana Azy. Ao amin'ny toko faha-16 kosa no misy ny nitsanganany sy ny nisehoany, saingy misy mampiavaka azy kely. Milaza fihaonana any Galilia ny Mar. 16:7, "any no hahitanareo Azy"; io no hafatra (jereo ny Jao. 21).

Mahagaga ny olona sasany ny finoan'ny Kristianina Tompo iray nitsangana tamin'ny maty. Kanefa lehibe sady mitombina tsara ny porofon'ny fitsanganany tamin'ny maty..

Voalohany indrindra, ny finoana an'Andriamanitra ho Mpahary (jereo ny Gen. 1,2) dia ampy hahatonga ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fahagagana ho azo inoana. Azo antoka fa manan-kery hananganana an'i Jesôsy amin'ny maty Ilay nahary izao tontolo rehetra izao sy ny fiainana eto an-tany, raha tiany izany. Ny fisian'Andriamanitra dia tsy midika fa tsy maintsy ho natsangany tamin'ny maty i Jesôsy, fa midika kosa izany fa mitombina sy azo inoana izany.

Manaraka izany, foana tanteraka ny fasana. Manaiky izany na dia ireo mpandinika ny tantara izay tsy mino ny fisian'Andriamanitra aza. Raha tsy foana ny fasana fa mbola nahitana faty dia ho nirodana dieny tany am-boalohany ilay foto-kevitry ny fitsanganana amin'ny maty. Ankoatra izany, tsy mitombina velively ilay fanazavana fa nangalarin'ny mpianatra ny fatin'i Jesôsy. Azo antoka fa ho nosakanan'ireo mpiambina tsy hiditra izy ireo. Ary na tafiditra tokoa aza izy ireo ka nalainy ny faty, nahoana no tsy nosamborina mihitsy izy noho izany fangalarana izany? Izao no valiny: fantatr'ireo mpitondra fivavahana fa tsy nanao izany ny mpianatra.

Ary izao koa, olona marobe no nijoro ho vavolombelona fa nahita an'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Maro koa, anisan'izany ny mpianatra, no tsy nino tamin'ny voalohany. Ary i Paoly, izay fahavalo mahery nanenjika ny Kristianina, dia tsy vitan'ny nahita ny Tompo efa nitsangana tamin'ny maty, fa nanova azy tanteraka izany fanandramana izany, ary nanova ny fiainany manontolo.

Farany (na dia mbola misy antony maro hafa aza), ahoana no azo anazavana ny fisian'ny fiangonana kristianina naorin'ireo izay nilaza fa nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty? Nahoana ireny olona ireny no vonona ny hahafoy ny ainy ho an'izay fantany fa lainga? Porofo mahery vaikan'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny fifandrindran'ny fijoroana ho vavolombelona nataon'izy ireo, dia izay nataony avy hatrany taorian'ilay fitsanganana tamin'ny maty (Asa. 3:15), sy ny nataony taona maro taorian'izany (1 Pet. 1:3).

Inona no holazainao raha misy olona manontany anao hoe: "Inona ny porofo anananao momba ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty?"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal