Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

EFA VOAKODIA NIALA NY VATO

Daty
Alatsinainy 23 September 2024

Vakio ny Mar. 16:1-8 sy ny 1 Kôr. 15:1-8. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Samy mitantara ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny filazantsara efatra. Araka ny fomba fijeriny avy no nanoratan'ireo mpanoratra ny filazantsara izany tantara izany, kanefa foto-kevi-dehibe iray ihany no voizin'izy ireo, izay hita koa ao amin'ny 1 Kôr. 15:1-8.

Hita miverimberina ireto teboka efatra ireto: maty, nalevina, nitsangana tamin'ny maty, niseho. Ny toko faha-15 ao amin'ny Marka no milaza ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nandevenana Azy. Ao amin'ny toko faha-16 kosa no misy ny nitsanganany sy ny nisehoany, saingy misy mampiavaka azy kely. Milaza fihaonana any Galilia ny Mar. 16:7, "any no hahitanareo Azy"; io no hafatra (jereo ny Jao. 21).

Mahagaga ny olona sasany ny finoan'ny Kristianina Tompo iray nitsangana tamin'ny maty. Kanefa lehibe sady mitombina tsara ny porofon'ny fitsanganany tamin'ny maty..

Voalohany indrindra, ny finoana an'Andriamanitra ho Mpahary (jereo ny Gen. 1,2) dia ampy hahatonga ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fahagagana ho azo inoana. Azo antoka fa manan-kery hananganana an'i Jesôsy amin'ny maty Ilay nahary izao tontolo rehetra izao sy ny fiainana eto an-tany, raha tiany izany. Ny fisian'Andriamanitra dia tsy midika fa tsy maintsy ho natsangany tamin'ny maty i Jesôsy, fa midika kosa izany fa mitombina sy azo inoana izany.

Manaraka izany, foana tanteraka ny fasana. Manaiky izany na dia ireo mpandinika ny tantara izay tsy mino ny fisian'Andriamanitra aza. Raha tsy foana ny fasana fa mbola nahitana faty dia ho nirodana dieny tany am-boalohany ilay foto-kevitry ny fitsanganana amin'ny maty. Ankoatra izany, tsy mitombina velively ilay fanazavana fa nangalarin'ny mpianatra ny fatin'i Jesôsy. Azo antoka fa ho nosakanan'ireo mpiambina tsy hiditra izy ireo. Ary na tafiditra tokoa aza izy ireo ka nalainy ny faty, nahoana no tsy nosamborina mihitsy izy noho izany fangalarana izany? Izao no valiny: fantatr'ireo mpitondra fivavahana fa tsy nanao izany ny mpianatra.

Ary izao koa, olona marobe no nijoro ho vavolombelona fa nahita an'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Maro koa, anisan'izany ny mpianatra, no tsy nino tamin'ny voalohany. Ary i Paoly, izay fahavalo mahery nanenjika ny Kristianina, dia tsy vitan'ny nahita ny Tompo efa nitsangana tamin'ny maty, fa nanova azy tanteraka izany fanandramana izany, ary nanova ny fiainany manontolo.

Farany (na dia mbola misy antony maro hafa aza), ahoana no azo anazavana ny fisian'ny fiangonana kristianina naorin'ireo izay nilaza fa nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty? Nahoana ireny olona ireny no vonona ny hahafoy ny ainy ho an'izay fantany fa lainga? Porofo mahery vaikan'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny fifandrindran'ny fijoroana ho vavolombelona nataon'izy ireo, dia izay nataony avy hatrany taorian'ilay fitsanganana tamin'ny maty (Asa. 3:15), sy ny nataony taona maro taorian'izany (1 Pet. 1:3).

Inona no holazainao raha misy olona manontany anao hoe: "Inona ny porofo anananao momba ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty?"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal