Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fa mandrakizay ny famindrampony

Daty
Alahady 11 February 2024

Vakio ny Sal. 136. Inona ny hevitra mibahana ao amin'io Salamo io? Aiza no ahitan'ny mpanao Salamo ny porofon'ny fanambarany miverimberina?

Ny Sal. 136 dia mitaona ny vahoakan'Andriamanitra hidera Azy noho ny famindram-pony izay aseho eo amin'ny zavaboary (Sal. 136:4-9) sy ny tantaran'ny Isiraely (Sal. 136:10-22). Ny hoe "Famindram-po" (khesed amin'ny teny hebreo, "fitiavana mafy orina") dia manambara ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahatokiany amin'ny zavaboariny sy ny fanekena nifanaovany tamin'ny Isiraely. Asehon'io Salamo io fa mifototra amin'ny fitiavan'Andriamanitra mafy orina ny Heriny lehibe sy ny Fahalehibeazany.

Jehovah no "Andriamanitry ny andriamanitra" sy "Tompon'ny tompo"; fomba fiteny hebreo izay midika hoe "Andriamanitra Avo indrindra"- Sal. 136:1-3 izany, ary tsy misy andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no Andriamanitra.

Ny fahagagana lehibe ataon'Andriamanitra, izay tsy misy mahavita afa-tsy Izy irery ihany, no fanehoana tsy azo lavina ny fanapahany (Sal. 136:4). Izy no namorona ny lanitra sy ny tany ary ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay iankohofan'ny mpanompo sampy (Deo. 4:19). Ambaran'ny Salamo fa tsy manana fahefana ireo andriamanitra sampy sy izay rehetra fitokiana amin'ny olombelona ankapobeny. Zavatra nataon'ny tanana ihany ireny, zavatra nohariana fa tsy ny Mpahary, fahasamihafana lehibe tokoa izany. 

Manasongadina ny fiasan'ny herin'Andriamanitra sy ny famindram-pony izay mahataka-davitra ny sarin'ny tanany mahery sy ny sandriny nahinjitra (Sal. 136:12).

Tokony hanentana ny vahoakan'Andriamanitra hitoky Aminy sy hitoetra ho mahatoky amin'ny fanekeny ny Famindram-pony amin'ny zavaboary sy eo amin'ny tantara. Averina in-26 ny hoe "Fa mandrakizay ny famindram-pony" ao amin'ny Salamo. Manome antoka ny mpivavaka izany fa tsy miova Andriamanitra ary hamerina ireo zava-tsoa tamin'ny lasa amin'ireo taranaka vaovao hifandimby. Mahatsiaro ny olony Andriamanitra (Sal. 136:23) ary mahatoky amin'ny faneken'ny fahasoavany. Ny finoana ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay no ivon'ny finoana ara-Baiboly, izay ahitana fiankohofana amim-pifaliana sy fitokiana, ary koa fanajana sy fibebahana.

Faranana amin'ny fiahian'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny Sal. 136 (and. 23- 25). Tsy ny Isiraely ihany no anehoan'Andriamanitra famindram-po fa ny zavaboary rehetra. Araka izany, miresaka momba ny fahasoavan'Andriamanitra mahavonjy izay mahatratra an'izao rehetra izao ny Salamo, ary koa mampirisika an'izao tontolo izao hiaraka amin'ny Isiraely hidera an'i Jehovah (jereo koa ny Lio. 2:10; Jao. 3:16; Asa. 15:17).

Amin'ny fomba ahoana no anehoan'ny nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny nahafatesany ho Mpisolo noho ny fahotantsika ny fahamarinana lehibe mikasika an' Andriamanitra (Ny fitiavany mandrakizay)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal