Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fa mandrakizay ny famindrampony

Daty
Alahady 11 February 2024

Vakio ny Sal. 136. Inona ny hevitra mibahana ao amin'io Salamo io? Aiza no ahitan'ny mpanao Salamo ny porofon'ny fanambarany miverimberina?

Ny Sal. 136 dia mitaona ny vahoakan'Andriamanitra hidera Azy noho ny famindram-pony izay aseho eo amin'ny zavaboary (Sal. 136:4-9) sy ny tantaran'ny Isiraely (Sal. 136:10-22). Ny hoe "Famindram-po" (khesed amin'ny teny hebreo, "fitiavana mafy orina") dia manambara ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahatokiany amin'ny zavaboariny sy ny fanekena nifanaovany tamin'ny Isiraely. Asehon'io Salamo io fa mifototra amin'ny fitiavan'Andriamanitra mafy orina ny Heriny lehibe sy ny Fahalehibeazany.

Jehovah no "Andriamanitry ny andriamanitra" sy "Tompon'ny tompo"; fomba fiteny hebreo izay midika hoe "Andriamanitra Avo indrindra"- Sal. 136:1-3 izany, ary tsy misy andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no Andriamanitra.

Ny fahagagana lehibe ataon'Andriamanitra, izay tsy misy mahavita afa-tsy Izy irery ihany, no fanehoana tsy azo lavina ny fanapahany (Sal. 136:4). Izy no namorona ny lanitra sy ny tany ary ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay iankohofan'ny mpanompo sampy (Deo. 4:19). Ambaran'ny Salamo fa tsy manana fahefana ireo andriamanitra sampy sy izay rehetra fitokiana amin'ny olombelona ankapobeny. Zavatra nataon'ny tanana ihany ireny, zavatra nohariana fa tsy ny Mpahary, fahasamihafana lehibe tokoa izany. 

Manasongadina ny fiasan'ny herin'Andriamanitra sy ny famindram-pony izay mahataka-davitra ny sarin'ny tanany mahery sy ny sandriny nahinjitra (Sal. 136:12).

Tokony hanentana ny vahoakan'Andriamanitra hitoky Aminy sy hitoetra ho mahatoky amin'ny fanekeny ny Famindram-pony amin'ny zavaboary sy eo amin'ny tantara. Averina in-26 ny hoe "Fa mandrakizay ny famindram-pony" ao amin'ny Salamo. Manome antoka ny mpivavaka izany fa tsy miova Andriamanitra ary hamerina ireo zava-tsoa tamin'ny lasa amin'ireo taranaka vaovao hifandimby. Mahatsiaro ny olony Andriamanitra (Sal. 136:23) ary mahatoky amin'ny faneken'ny fahasoavany. Ny finoana ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay no ivon'ny finoana ara-Baiboly, izay ahitana fiankohofana amim-pifaliana sy fitokiana, ary koa fanajana sy fibebahana.

Faranana amin'ny fiahian'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny Sal. 136 (and. 23- 25). Tsy ny Isiraely ihany no anehoan'Andriamanitra famindram-po fa ny zavaboary rehetra. Araka izany, miresaka momba ny fahasoavan'Andriamanitra mahavonjy izay mahatratra an'izao rehetra izao ny Salamo, ary koa mampirisika an'izao tontolo izao hiaraka amin'ny Isiraely hidera an'i Jehovah (jereo koa ny Lio. 2:10; Jao. 3:16; Asa. 15:17).

Amin'ny fomba ahoana no anehoan'ny nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny nahafatesany ho Mpisolo noho ny fahotantsika ny fahamarinana lehibe mikasika an' Andriamanitra (Ny fitiavany mandrakizay)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal