Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHEFANA MANAO AHOANA NO ANAOVANAO IZAO ZAVATRA IZAO?

Daty
Talata 27 August 2024

Mat. 28 Vakio ny Mar. 11:27-33. Inona ny fanontaniana saro-baliana napetrak'ireo mpitondra fivavahana tamin'i Jesôsy, ary inona no navaliny azy ireo?

Ny andro manaraka ny nanadiovan'i Jesôsy ny tempoly, dia nifanehatra taminy tao amin'ny kianjan'ny tempoly ireo mpitondra fivavahana ka nanontany Azy ny amin'ny fahefana nanaovany araka izay nataony ny omalin'io. Tsy nikatsaka ny marina izy ireo tamin'izany fa nitady izay hamandrihana an'i Jesôsy. Raha milaza izy fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany dia holavin'izy ireo ny hananan'ny mpandrafitra tambanivohitra anankiray fahefana tahaka izany. Raha milaza kosa i Jesôsy fa avy amin'olombelona ny Fahefany dia hanao azy ho adala ireto mpitondra fivavahana ireto.

Hitan'i Jesôsy ny fandrika novelarin'izy ireo ka nolazainy fa tsy hamaly ny fanontanian'izy ireo Izy raha tsy mamaly ny fanontaniany aloha izy ireo. Nanontany azy ireo Izy raha avy amin'Andriamanitra na avy amin'ny olona ny batisan'i Jaona Mpanao batisa. Tsapan'ireo mpitondra fivavahana avy hatrany fa izy ireo no azon'ny fandrika novelariny. Raha hilaza izy ireo fa avy amin'Andriamanitra izany dia hilaza izao i Jesôsy: "Nahoana ary no tsy nino azy hianareo?". Natahotra ny olona kosa izy ireo raha toa hilaza fa avy amin'ny olona izany. Noho izany, nandainga izy ireo ka nilaza fa tsy fantany ny valin'izany. Tamin'izany no nandavan'i Jesôsy tsy hamaly ny fanontanian'izy ireo.

Vakio ny Mar. 12:1-12. Ahoana no nanohizan'i Jesôsy ny fandavany tsy hamaly ny fanontanian'ireo mpitondra fivavahana, ary inona ny fiantraikan' izany?

Nilaza fanoharana momba ny tanim-boaloboka sy ny tompony ary ny mpiasa tany izay nanofa ny tanim-boaioboka i Jesôsy. Misy fitoviana be amin'ny fanoharana momba ny tanim-boaloboka ao amin'ny Isa. 5 ilay tantara notantarainy, ny Isa. 5 izay iampangan'Andriamanitra ny lsiraely tsy mahatoky. Ho tsikaritry ny rehetra izany fitoviana izany, indrindra moa ireo mpitondra fivavahana.

Fomba izay tsy mahazatra no isehoan'ny tantara satria nandà tsy hanome ny vokatra avy amin'ny tanim-boaloboka ho an'ny tompon-tany ireo mpiasa ny tanim-boaloboka. Nikapoka sy namono ireo mpanompon'ilay tompon-tany aza no nataon'izy ireo. Nony farany, dia ny zanaka malalan'ilay tompon-tany no nirahiny hankany amin'ireo mpiasa ny tany; nantenainy mantsy fa hanaja ny zanany izy ireo. Tsy izany anefa no niseho. Nanana fiheverana hafahafa izy ireo fa raha hovonoiny ny zanaky ny tompon'ny tany dia ho azy ny tanim-boaloboka. Manaitra tokoa ny hafohin'ny fisainan'izy ireo ary rariny ny fitsarana hahatra aminy.

Nanome fampitandremana hentitra ho an'ireo mpitondra fivavahana ny amin'izay hiafaran'ny zavatra ataon'izy ireo i Jesôsy tao amin'io tantara io. Raha jerena araka izany dia fampitandremana feno fitiavana ny fanoharana nataony. Tsy diso aoriana loatra ho azy ireo raha miova izy ka mandositra ny fitsarana ho avy aminy. Hibebaka ny sasany amin'izy ireo ary hiova ka handray an'i Jesôsy; ny sasany kosa tsy hanao izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (26)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal