Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHEFANA MANAO AHOANA NO ANAOVANAO IZAO ZAVATRA IZAO?

Daty
Talata 27 August 2024

Mat. 28 Vakio ny Mar. 11:27-33. Inona ny fanontaniana saro-baliana napetrak'ireo mpitondra fivavahana tamin'i Jesôsy, ary inona no navaliny azy ireo?

Ny andro manaraka ny nanadiovan'i Jesôsy ny tempoly, dia nifanehatra taminy tao amin'ny kianjan'ny tempoly ireo mpitondra fivavahana ka nanontany Azy ny amin'ny fahefana nanaovany araka izay nataony ny omalin'io. Tsy nikatsaka ny marina izy ireo tamin'izany fa nitady izay hamandrihana an'i Jesôsy. Raha milaza izy fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany dia holavin'izy ireo ny hananan'ny mpandrafitra tambanivohitra anankiray fahefana tahaka izany. Raha milaza kosa i Jesôsy fa avy amin'olombelona ny Fahefany dia hanao azy ho adala ireto mpitondra fivavahana ireto.

Hitan'i Jesôsy ny fandrika novelarin'izy ireo ka nolazainy fa tsy hamaly ny fanontanian'izy ireo Izy raha tsy mamaly ny fanontaniany aloha izy ireo. Nanontany azy ireo Izy raha avy amin'Andriamanitra na avy amin'ny olona ny batisan'i Jaona Mpanao batisa. Tsapan'ireo mpitondra fivavahana avy hatrany fa izy ireo no azon'ny fandrika novelariny. Raha hilaza izy ireo fa avy amin'Andriamanitra izany dia hilaza izao i Jesôsy: "Nahoana ary no tsy nino azy hianareo?". Natahotra ny olona kosa izy ireo raha toa hilaza fa avy amin'ny olona izany. Noho izany, nandainga izy ireo ka nilaza fa tsy fantany ny valin'izany. Tamin'izany no nandavan'i Jesôsy tsy hamaly ny fanontanian'izy ireo.

Vakio ny Mar. 12:1-12. Ahoana no nanohizan'i Jesôsy ny fandavany tsy hamaly ny fanontanian'ireo mpitondra fivavahana, ary inona ny fiantraikan' izany?

Nilaza fanoharana momba ny tanim-boaloboka sy ny tompony ary ny mpiasa tany izay nanofa ny tanim-boaioboka i Jesôsy. Misy fitoviana be amin'ny fanoharana momba ny tanim-boaloboka ao amin'ny Isa. 5 ilay tantara notantarainy, ny Isa. 5 izay iampangan'Andriamanitra ny lsiraely tsy mahatoky. Ho tsikaritry ny rehetra izany fitoviana izany, indrindra moa ireo mpitondra fivavahana.

Fomba izay tsy mahazatra no isehoan'ny tantara satria nandà tsy hanome ny vokatra avy amin'ny tanim-boaloboka ho an'ny tompon-tany ireo mpiasa ny tanim-boaloboka. Nikapoka sy namono ireo mpanompon'ilay tompon-tany aza no nataon'izy ireo. Nony farany, dia ny zanaka malalan'ilay tompon-tany no nirahiny hankany amin'ireo mpiasa ny tany; nantenainy mantsy fa hanaja ny zanany izy ireo. Tsy izany anefa no niseho. Nanana fiheverana hafahafa izy ireo fa raha hovonoiny ny zanaky ny tompon'ny tany dia ho azy ny tanim-boaloboka. Manaitra tokoa ny hafohin'ny fisainan'izy ireo ary rariny ny fitsarana hahatra aminy.

Nanome fampitandremana hentitra ho an'ireo mpitondra fivavahana ny amin'izay hiafaran'ny zavatra ataon'izy ireo i Jesôsy tao amin'io tantara io. Raha jerena araka izany dia fampitandremana feno fitiavana ny fanoharana nataony. Tsy diso aoriana loatra ho azy ireo raha miova izy ka mandositra ny fitsarana ho avy aminy. Hibebaka ny sasany amin'izy ireo ary hiova ka handray an'i Jesôsy; ny sasany kosa tsy hanao izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal