Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FANANTENANA NY FIAVIAN’I JESÔSY TSY HO ELA

Daty
Alatsinainy 24 June 2024

Vakio ny Jao. 14:1-3 sy ny Tit. 2:11-14. Eo anatrehan'ny fihaikana amin'ny hoavy sy ny fotoan-tsarotra, nahoana ireo toko sy andininy ireo no mampahery?

Ny tenin'i Jesôsy hoe: "Aza malahelo ny fonareo", dia toky omeny fa tsy handao antsika velively Izy ary ho avy indray haka antsika hody. Tsy fonenantsika eto amin'ity tontolo ity; ho avy ny andro tsara kokoa. Toko sy andininy 1 isaky ny 25 no miresaka ny amin'ny fiverenan'ilay Tompontsika ao amin'ny Testamenta Vaovao. Rehefa manjombona ny andro ary mandrahona ny aintsika ny fampahoriana ataon'ny fanjakana-fiangonana, dia ny teny fikasana ny amin'ny fiavian'i Kristy no mameno fanantenana ny fontsika. Izany no "fanantenana mahafinaritra" namelombelona ireo vahoakan'Andriamanitra mahatoky teo amin'ireo taranaka maro nifandimby.

Vakio ny Apôk. 6:15-17 sy ny Isa. 25:8,9. Ampitahao ny fihetsik'ireo voavonjy sy ireo very izay hita ao amin'ireo andalanteny ireo. Inona no anton'ny fahasamihafan'ireo fihetsika ireo.

Tsapan'ny ratsy ny vokatra mahatsiravin'ny fahotana, fa ny marina kosa mandray ny fahasoavany mahatalanjona atolotra azy. Miteraka tahotra, fahatsiarovan-tena ho meloka, fanamelohana, ary fahaverezana mandrakizay amin'ny farany ny fikomiana amin'Andriamanitra. Ny fandraisantsika ny fahasoavany mahavonjy no mitondra ho amin'ny famelan-keloka sy ny fiadanana ary ny fifaliana mandrakizay amin'ny fiverenany be voninahitra.

Vakio ny Apôk. 15:3,4 sy ny Apôk. 19:7. Ahoana no ataon'ireo voavotra eo anatrehan'ny famonjena be voninahitra atolotra maimaimpoana amin'ny alalan'i Kristy?

"Ny hazo fijalian' i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran'ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao aminl Kristy omem-boninahitra no hibanjinany Kristy voahombo. (...) Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao, llay Mpandahatra ny anjaran'ny rehetra, no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany amandanitra sy hahatonga azy hiankohoka Aminy."- HM, t. 677.

Vakio ny Apôk . 12:17; Apôk. 17:13,14 ary ny Apôk. 19:11-16. Mariho tsara ny fivoarana hita ao amin'ireo andalan-teny ireo. Inona no ambaran'izany mikasika ny ady farany eto an-tany sy ny fandresena farany azon'i Kristy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (16)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal