Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY :

Daty
Zoma 19 April 2024

"Io toe-tsaina feno fankahalana syfanoherana ny fahamarinana io ihany no nanetsika ny fahavalon'Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra, ary toe-tsaina mahatoky sy miambina no angatahin'Andriamanitra kosa mba hananan'ny mpanompony. Azo ampiharina amin'ireo mpanaaraka an'i Kristy aty amin'ny andro farany ny teny nataony tamin'ireo mpianany tamin'ny voalohany manao hoe: 'Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena' — Mar. 13:37." - HM, t. 57.

Any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, indrindra fa any amin'ny toerana izay ahazoan'ny olona malalaka ny Baiboly, dia nampiasa fomba hafa i Satana hampihenana ny herin'ny Baiboly. Fomba iray nampiasainy, izay nahomby tokoa, ny fikarohana ara-tsiansa, eny, na ny fandalinana ny Baiboly aza, izay mametraka firehana izay, raha ekena, dia hanozongozona ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ohatra, na dia voalza aza fa 500 taona mahery TIK no nisian'ny bokin'i Daniela dia manam-pahaizana maro momba ny Baiboly no milaza ny fisian'izany ho taty amin'ny antsasaky ny taonjato faharoa TIK. Tohanan'izy ireo fa tamin'io vanim-potoana io no nanoratana izany, satria raha 500 taona mahery TIK no nanoratana azy, dia midika izany fa marina amin'ny tsipiriany loatra ny faminaniany rehetra momba ny hoavy, ary tena mpaminany manokana avy amin'Andriamanitra tokoa i Daniela, kanefa tsy mitombina velively izany raha ny fandinihany azy. Taonjato maro taorian'ilay daty efa voalaza, noho izany, no nolazain'izy ireo fa nanoratana ny bokin'i Daniela. Indrisy fa anisan'ireo lainga maro ampidirin'ny fandalinana moderina ao an-tsaintsika io lainga momba ny Baiboly io. Ary ny tena mampalahelo, dia olona maro no manaiky izany fahadisoana izany satria manam-pahaizana momba ny Baiboly no mampianatra izany. Tsy mahagaga raha mampitandrina antsika i Paoly hoe: "Fantaro ny zavatra rehetra;  mafy izay tsara" - 1 Tes. 5:21.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Jereo ilay tenin'ny teôlôjianina sy Kristianina ao amin'ny fizarana Talata ka saino izao manaraka izao: Ahoana no ampiasan'i Satana fomba fiasa toy izany koa ankehitriny mba hanamaivanana ny fahefan'ny Soratra Masina, amin'ny fomba misoko miadana?
2. Inona ireo fiarovana lehibe indrindra ho antsika mba tsy hanao dika vilana ny Tenin'Andriamanitra?
3. Ny tena ezahin'i Satana atao ao annin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy dia ny manaratsy ny toetran'Andriamanitra sy ny maneho Azy ho mpanao didy jadona, lozabe sy tsy manam-pitiavana. Amin'ny fomba ahoana no anaovan'ilay ratsy izany, ary inona no asetrin'Andriamanitra ireo laingany?
4.Hoy ny Apôstôly Paoly: "ny famoahan-kevitry ny faminaniana (...) dia tsy efan'ny fisainan’ny olona fotsiny ihany" - 2 Pet. 1:20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy aolantsika ny hevitry ny Soratra Masina mba hanatrarana ny tanjontsika manokana? Ahoana no mahatonga izany ho mora atao tsy araka izay iheverantsika azy, ary nahoana isika no tokony hitandrina ny amin'izany? Ahoana no ahafahantsika miaro tena tsy ho latsaka amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (72)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal