Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 26 April 2024

"Navelan'Andriamanitra hamirapiratra teo amin'ny sain'ireo oIona nofidiny ireo ny fahazavana lehibe ka betsaka ny fahadisoan-kevitr'i Roma no nambarany taminy; nefa tsy naseho azy avokoa ny fahazavana rehetra izay tokony homena an'izao tontolo izao. Tamin'ny alalan'ireo mpanompony ireo, dia nitarika ny vahoaka hiala tamin'ny fahamaizinan'ny fivavahana Romana Andriamanitra nefa sady maro no lehibe ny zava-misakana tsy maintsy natrehina, ka nalefa miandalana sy tsimoramora ny fitarihana azy ireo. Tsy voaomana handray ny fahazavana amin'ny famirapiratany rehetra indray mitosaka izy fa mety ho jambena ny masony, ka hiverina ilalana izy, toy ny olona iray izay nitoetra ela tao amin'ny haizina, ka nifindra ho eo amin'ny famirapiratan'ny masoandro raha mitataovovonana. Noho izany dia nasehony tsikelikely tamin'ireo mpitarika izany, araka izay mety ho voarain’ny vahoaka. lsaka ny taonjato dia misy mpiasa hafa mahatoky hatrany nomena andraikitra hitarika ny vahoaka handroso ho amin'ny lalindalina kokoa amin'ny lalan'ny fanavaozana." - HM, t. 103.

"Tao amin'ny taratasy hafa nalefany ho an'ny pretra iray nanjary mpianatry ny filazantsara, dia niteny tamim-panetren-tena lalina momba ny fahadisoana nataon'ny tenany i Hus, ka niampanga tena ho `nahatsapa fahafinaretana tamin'ny fitondrana fitafiana sarobidy sy nandanilany fotoana foana tamin'ny zavatra maivana.' Dia nampiany izao hafatra mampangorakoraka izao: Aoka ny voninahitr'Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahy no hameno ny sainao, fa tsy ny fahazoana tombony sy ny fananana. Tandremo ny mandravaka ny tranonao mihoatra noho ny fanahinao; ary ambonin'ny zavatra rehetra, aoka hokarakarainao tsara ny tranom-panahy. Aoka ho tia vavaka sy hanetry tena amin'ny mahantra ianao, ary aoka tsy ho ritran'ny fihinanam-be ny fanananao. Raha tsy manova ny fiainanao ianao ka tsy mifehy tena amin'ny aingitraingitra, dia matahotra aho sao hofaizina mafy tahaka ahy koa ianao.'" - HM, t. 106.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra:
1. Inona no atao hoe "fahazavana miandalana"? Nahoana Andriamanitra no maneho ny fahamarinana amin'ny fomba miandalana? Ahoana no iharan'ireo fitsipika ireo amin'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny?

2. Ahoana no ifandraisan'ny fahamarinana taloha izay efa takatr'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny fahamarinana vaovao vao hita? Nahoana no tsy tokony hanohitra ny fahamarinana taloha na oviana na oviana ny fahamarinana vaovao?

3. Na aiza no aiza toerana onenanao, ny kolontsainao dia hampiroborobo ireo soatoavina sy hevitra ary fitsipi-pitondran-tena azo lazaina ho mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Baiboly. Rehefa avy namantatra ireo sehatra ahitana fifanandrinana ireo ianao, ahoana no fahitanao ny tenanao sy ny fahitanao antsika amin'ny maha-fiangonana manoloana ireo fihaikana ireo? Ahoana no ahazoantsika mitoetra ho olom-pirenena vanona kanefa tsy milefitra amin'ireo soatoavina diso ambaran’ny kolontsaina iainantsika?

4. Inona no fiantraikan'ny taratasin'i Jean Huss eo amin'ny fisainanao ankehitriny? Inona no manaitra anao ao amin'ilay taratasy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal