Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 17 May 2024

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ireo faminanian'ny 70 herinandro sy ny 2300 andro. Manomboka amin'ny 457 TIK ireo faminaniana ireo ary manambara mialoha ireo toe-javatra manodidina ny "Mesia Andriana", izay iorenan'ny faminanian'ny 70 herinandro. Araka io fototra mafy orina io dia mifarana amin'ny taona 1844 ny faminanian'ny 2300 andro.

                                                   [ 2300 andro (2300 taona) ]

457 TIK <.. 70 herinandro /490 taona ..> 34 TrK <…(1810 taona )...> 1844 TrK                                              
"Tahaka ireo mpianatra voalohany, dia tsy takatr'i Miller sy ireo namany tanteraka ny fiantraikan’ny hafatra nentiny. Nanakana azy tsy ho tonga teo amin'ny fanazavana marina ny zava-dehibe iray tao amin'ny faminaniana ireo hevi-diso efa tafaorina ela tao amin'ny fiangonana. Noho izany, na dia nitory ny hafatra izay nankinin'Andriamanitra taminy hotoriny amin'izao tontolo izao aza izy dia niharan'ny fahadisoam-panantenana noho ny fandraisana diso ny heviny." — HM, t. 365.

"Nefa nahatanteraka ny fikasany tsara Andriamanitra tamin'ny namelany ny fitoriana ny hafatra fampiomanana ho amin'ny fitsarana araka izay niseho. Akaiky ilay andro lehibe, ary noho ny fitondran'Andriamanitra dia nosedraina ny vahoaka momba ny fotoan'andro voafaritra tsara, mba hanehoana taminy izay tao am-pony io hafatra io dia natao hisedrana ny fiangonana sy hanadiovana azy. Voatarika izy hahita ny tena nametrahany ny fitiavany, na teo amin'ity izao tontolo izao ity na teo amin'i Kristy sy ny lanitra. Nilaza ho tia ny Mpamonjy izy; ankehitriny izy dia hanaporofo izany fitiavany izany. Moa ve vonona ny hahafoy ny fanantenany sy ny hambom-pony momba an'izao tontolo izao izy ka handray amim-pifaliana ny fiavian'ny Tompony? lo hafatra io dia natao mba hahatonga azy hahafantatra marina ny tena toetrany eo amin'ny ara-panahy; nalefa izany noho ny famindram-po mba hanainga azy hitady ny Tompo amim-pibebahana sy amim-panetren-tena." — HM, t. 367.  

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. lnona avy ireo lesona azontsika raisina avy amin'ny fanandramana niainan'i William Miller? Odian'Andriamanitra tsy hita ve ny fahadisoan-kevitsika indraindray.   
2. Nahoana no tena manan-danja ny fahatakarana ny Dan. 9:24-27 amin'ny fanehoana ny fahamarinan'ny Baiboly sy ny maha-Andriamanitra an'i Kristy?   
3. lnona no ilàna ny fahatakarana ny faminaniana ao anatin'ny drafi-pamonjena? Nahoana no zava-dehibe tokoa eo amin'ny drafitr'Andriamanitra ny faminaniana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal