Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"HIANAO VA NO MPANJAKAN'NY JIOSY?

Daty
Alahady 15 September 2024

Vakio ny Mar. 15:1-15. Inona ny toe-javatra feno fanarabiana miseho eto?

I Pontio Pilato no governoran'i Jodia tamin'ny taona 26 hatramin'ny 36 TrK. Tsy mpitarika tsara fanahy izy, ary maro tamin'ireo asa nataony no nahavery hevitra ireo mponina teo amin'ny tany (ampitahao amin'ny Lio. 13:1). Niafara tamin'ny didim-pitsarana manameloka ho faty noho ny fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra ny fitsaran'ny Jiosy an'i Jesôsy. Tsy azon'ny Jiosy izay teo ambany fanapahan'ny Rômanina atao anefa ny mampamono olona, koa nentiny ho any amin'i Pilato i Jesôsy mba hohelohina.

Tsy voalaza ny vesatra niampangana an'i Jesôsy teo anatrehan'i Pilato, kanefa azo heverina fa hita taratra teo amin'ny fanontaniana fohy napetrak'i Pilato tamin'i Jesôsy izany fiampangana izany: "Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?" - Mar. 15:2. Ny Isiraely no nanosotra ny mpanjakany tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, koa tsy sarotra ny mahita fa ny teny hoe "Mesia" ("Ilay voahosotra") dia azo avadika ho fitakiana ny fanajana mendrika ny mpanjaka, izany hoe fifaninanana amin'ny amperora. Araka izany, fitenenan-dratsy an'Andriamanitra no niampangana an'i Jesôsy teo anatrehan'ny Synedriona, ary fikomiana kosa no nentina niampanga Azy teo anatrehan'ny governora, izay hitarika ho amin'ny fahafatesana.

Raha ny marina anefa dia sady Mesia i Jesôsy no Mpanjakan'ny Jiosy. Diso ny fiampangana Azy ho miteny ratsy an'Andriamanitra sy mpikomy; tokony ho fanajana sy fiankohofana aza no naseho taminy. Mbola naneho ny fihetsiky ny mpanjaka ihany anefa i Jesôsy; izao no valinteniny tamin'i Pilato: "Voalazanao"- Mar. 15:2. Tsy nolaviny na nohamafisiny izany fiantsoana Azy izany. Mety haneho taratra izany valinteny izany fa Mpanjaka Izy saingy tsy tahaka izay iheveran'i Pilato Azy (ampitahao amin'ny Jao. 18:33-38).

Ampidirin'ny Mar. 15:6 ao amin'ny tantara ny fomba fanao izay andefasana mpifatotra iray amin'ny fotoan'ny Paska. Manontany i Pilato ao amin'ny Mar. 15:9 raha tian'izy ireo ny handefasany an'ilay "Mpanjakan'ny Jiosy', ary na dia tamim-panesoesoana aza no nanambarany izany dia nifototra taminy izany fanarabiana izany.

Fandinihana mikasika ny zavatra tsapa sy izay tsy tsapa ny Mar. 15:9. Tsapan'i Pilato fa fialonana no antony nanoloran'ireo mpitondra fivavahana an'i Jesôsy, saingy tsy tsapany fa tamin'ny nanontaniany ny vahoaka dia nanatanteraka tsy nahy ny zavatra notadiavin'ireo lohan'ny mpisorona izy. Nanetsika ny vahoaka izy ireo ary niantsoantso mba hanomboana an'i Jesôsy. Nihemotra i Pilato. Fomba famonoana mahatsiravina ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana, indrindra ho an'izay heveriny ho tsy meloka. Toa toe-javatra maneso sy mahonena ny fanirian'ilay governora jentilisa handefa ny Mesia kanefa ireo mpitarika ara-pivavahana indray no naniry ny hanomboana Azy amin'ny hazo fijaliana.

Inona no mety hiaro anao tsy ho latsaka amin'ny fanarahana ny ataon'ny besinimaro rehefa mafy loatra ny fanerena hanao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal