Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hitsangana aho

Daty
Sabotsy 03 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 18:3-18; Sal. 41:1-3; Deo. 15:7- 11; Sal. 82; Sal. 96:6-10; Sal. 99:1-4; Rôm. 8:34.

Tsianjery: "Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany."- Sal. 12:5.

Tsy izao androntsika izao ihany no vanim-potoana anjakan'ny faharatsiana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana. Toy izany koa ny tamin'ny andron'ny mpanao Salamo. Ary na ahoana na ahoana, ny Salamo dia fanehoan'Andriamanitra ny tsy fankasitrahany ny herisetra sy ny fampijaliana eto amin'izao tontolo izao, dia ny tontolo misy antsika sy ny an'ilay mpanao Salamo koa.

Eny tokoa, manam-paharetana lehibe ny Tompo ka mahari-po sy malain-ko tezitra, mba tsy hisy ho very fa ho tonga amin'ny fibebahana sy hiala amin'ny lalan- dratsiny ny olona rehetra (2 Pet. 3:9-15). Ary na dia tsy mifanandrify mandrakariva amin'izay antenain'ny olombelona aza ny fotoana idiran'Andriamanitra an- tsehatra, dia ho tonga tokoa ny andro fitsaran'Andriamanitra (Sal. 96:13; Sal. 98:9). Ny hany ilaintsika dia ny matoky Azy sy ny teny fikasany mandra-piavin'io andro io.

Ny Mpahary irery ihany, Izay fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany (Sal. 89:14; Sal. 97:2), no mahay manamafy orina sy manome fahombiazana ho an'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fitsarany amin'ny maha- mpanjaka azy. Ireto lafiny roa ireto no mandrafitra ny fitsaran'Andriamanitra: ny fanafahana ny ampahoriana sy ny fandringanana ny ratsy fanahy (Sal. 7:6-17).

Izany no toky nomena antsika, ary ho tonga tokoa izany andro izany - saingy amin'ny fotoan'Andriamanitra fa tsy ny fotoantsika, izay hevitra voizin'ny mpanao Salamo eto.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal