Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY MPITONDRA HAFATRA

Daty
Talata 02 July 2024

Vakio ny Mar. 1:1-8. Iza avy ireo "olona" voaresaka ao amin'ireo andininy ireo, ary inona no lazainy sy ataony?

Misy telo izy ireo no tena voaresaka ao: Jesôsy Kristy, Izay resahina ao amin'ny Mar. 1:1, Andriamanitra Ray (izay hita ao amin'ny and. 2), ary Jaona mpanao batisa, ilay mpitondra hafatra sy mpitoriteny, izay foto-dresaka ao amin'ireo andininy sisa manaraka.

Misy teny nalaina avy amin'ny TT ao amin'ny Mar. 1:2,3 izay ambaran'i Marka fa mitranga ao amin'ny tantara. Andininy 3 avy ao amin'ny TT no nampiarahin'i Marka ao amin'ireo andininy ireo: Eks. 23:20; Isa. 40:3, ary Mal. 3:1.

Vakio ny Eks.23:20; Isa. 40:3, ary Mal. 3:1. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Miresaka momba ny anjely iray hirahin'Andriamanitra eo alohan'ny Isiraely mba hitondra azy ireo any amin'ny tany Kanàna ny Eks. 23:20. Ny Isa. 40:3 indray dia miresaka ny amin'ny fisehoan'Andriamanitra any an'efitra sy ny fanamboarana lalambe ho Azy. Ny malakia 3:1 kosa dia mikasika ny iraka iray mandeha eo alohan'ny Tompo, manamboatra ny lalany. Samy miresaka momba ny dia anankiray izy telo ireo.

Misy ifandraisany betsaka amin'ny asan'i Jaona mpanao batisa ny lahatsoratra ao amin'ny Isaia, sady mifantoka amin'ny lalan'ny Tompo ihany koa. Raha ny filazantsaran'i Marka dia misy "dia" ataon'i Jesôsy Tompo. Manamafy izany "dia" izany ny fomba fitantarana malaky ataon'ny mpanoratra. Tonga eo amin'ny hazo fijaliana sy ny nahafatesany ho sorona ho antsika ilay dia.

Maro anefa ireo zavatra tsy maintsy mitranga mialoha ny hahatongavana eo amin'ny hazo fijaliana. Vao miandoha ny dia, ary horesahin'i Marka amintsika ny mombamomba izany.

Araka ny teny ao amin'ny Mar. 1:2,3, izay avy ao amin'ny TT, dia niantso ny vahoaka ho amin'ny fibebahana, hiala amin'ny fahotana, sy hiverina amin'Andriamanitra (Mar. 1:4) i Jaona mpanao batisa. Nitafy tahaka an'i Elia mpaminany fahiny izy (ampitahao amin'ny 2 Mpanj. 1:8), ary niresaka momba Ilay ho avy aoriany, Izay lehibe noho izy, ao amin'ny Mar. 1:7,8. Ny nilazany hoe: "tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho", dia mampiseho ny toerana ambony omeny an'i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal