Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO AMBOADIA

Daty
Alatsinainy 15 April 2024

Vakio ny Asa. 20:27-32. Inona avy ireo fampitandremana manokana nomen'ny apostoly Paoly ireo mpitondra fiangonana tao Efesosy momba ny fihemorana ho avy?

Ny hanomana ny fiangonana amin'izay zavatra ho avy no tanjon'ny torohevitr'i Paoly. Maneho fanahiany roa lehibe izy ao amin'ireo andininy ireo.

Ny fanahiany voalohany dia "hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry" - Asa. 20:29. Izany hoe, hiatrika fanenjehana mahamay ny nnpino, saingy avy ao anatin'ny fiangonana ihany. Tamin'ny taonjato voalohany sy faharoa no nahatanterahan'izany faminaniana izany. Nampijalina, nampidirina am-ponja ary nodorana teo amin'ny antontan-kitay ireo Kristianina izay nanda tsy hiankohoka amin'ny amperora amin'ny fandohalehana eo anatrehan'ireo andriamanitr'i Roma.

Naneho ny fanahiany faharoa ny apostôly raha nilaza hoe: "Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy" - Asa. 20:30. Hiditra ao am-piangonana ny fampianaran-diso. Hosoloana foto-pampianarana diso ireo fahamarinan'Andriamanitra. Hanjaka ny fanaon'ny mpanompo sampy. Tamin'ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia tafatsofoka mangina tao amin'ny fiangonana kristianina ny marimaritra iraisana, ka ho fampandrosoana ny asa no mety ho nanamarinana izany. Saingy ny voka-dratsy naterak'izany dia ny fandaozana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra.

Vakio ny 2 Tes. 2:7-12. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly apostôly ilay fihemorana ho avy? Inona ireo toetra mampiavaka izany, izay tokony hofantarin'izy ireo?

Manan-danja ilay fanazavan'i Paoly manao hoe: "Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna". Na tamin'ny andron'i Paoly aza dia nisy ny fihatahana tsikelikely tamin'ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra mikasika ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra.

Hahazo vahana izany mandritra ireo taonjato farany.
Natsofoka tao amin'ny fanompoam-pivavahana Kristianina ny sampy, izay mifanohitra amin'ny didy faharoa. Taona an'arivony maro no efa nametrahan'ny fivavahana jentilisa rehetra ny sampy ho eo amin'ny laharana voalohany. Mba hahatonga ny fivavahana Kristianina ho azon'ireo mpanompo sampy tafiditra tao amin'ny fiangonana kristianina nekena, dia novana anarana hoe "olo-masina" ireo andriamanitry ny mpanompo sampy. Nekena tsikelikely ho andro fivavahana kristianina ny Alahady, izay andro nivavahana tamin'ny andriamanitra masoandro, ho fanomezam-boninahitra ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Mahazo vahana io andro sandoka io, izay tsy hamarinin'ny Soratra Masina, na dia ankehitriny aza.

Karazana marimaritra iraisana inona no hitantsika miditra ao amin'ny fiangonana ankehitriny? Zava-dehibe noho izany aza. Inona ireo marimaritra iraisana mety ataonao amin'izao fotoana izao? Amin'ny fampifangaroana ny marina sy ny diso ve izany indraindray? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal