Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jehovah , iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao?

Daty
Talata 19 March 2024

Vakio' ny Sal. 15. Iza no mendrika hanao fankalazana eo anatrehan’ Andriamanitra?

Ny valiny omena ao amin'io Salamo io dia famintinana ireo fitakiana izay efa nomena ao amin’ny lalan’Andriamanitra sy ny mpaminany: ireo izay maneho taratra an’Andriamanitra eo amin'ny asany (‘manao izay mahitsy’) sy ny toetrany (‘ny fony’) (jereo Deo. 6:5; Mika. 6:6-8). Toerana masina ny fitoerana masina, ary ny Zavatra rehetra ao anatiny, isan'izany ny mpisorona, dia voatokana ho masina. Noho izany dia fepetra tsy maintsy arahina ny fahamasinana raha hiditra ao ka ho eo anatrehan’Andriamanitra. Na eo amin'ny fanompoam-pivavahana ataony na ny fitondrantenany, eny, ny eo amin'ny lafim-piainany rehetra dia natao ho masina ny Isiraely. Nomena ny vahoakan’Andriamanitra ny lalana mba hahazoan'izy ireo manatratra ny ambony indrindra eo amin'ny fahafaha- manaony; izany hoe, miaina amin'ny maha-fanjaka-mpisorona azy. Ny fiainam- pahamasinana eo ambanin'ny fanatrehan’Andriamanitra, sy ny fitondrana ny fanekem-pitahiana ho amin'ny firenena hafa, no maha-fanjaka-mpisorona.

Vakio ny Sal. 24:3-6 sy ny Sal. 101:1-3. Inona no atao hoe masina?

“Ny fahitsian’ny fo” no toetra tsara indrindra ananan’ny mpivavaka eo anatrehan’Andriamanitra. Ny teny hebreo tamim izay nadika hoe: “fahitsiana” eto dia maneho “fahatanterahana’ sy “fahafenoana’. llay hazo voaloboka tamim ao amin’ny Ezek. 15:5 dia “tsy mbola nanafahana” na ‘tsy nisy nanombinana”, tsy simba, ary salama tsara. Tsy maintsy tamim koa, na tsy misy kilema, ireo biby natao fanatitra (Lev. 22:21-24). Ny fomba fiteny tamim dia tsy misy lainga fa marina tanteraka (Joba 36:4). Ny fo tamim dia fo “mahitsy’ (Sal. 24:4) na misaintsaina ny marina (Sal. 15:2), fo mitady an’Andriamanitra (Sal. 24:6), ary fo voadio noho ny famelan’Andriamanitra ny helony (Sal. 51:2-10). Ny fiainana tsy misy tsiny dia avy amin’ny fanekena ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Mampahery ny mpanompon'Andriamanitra ny fahasoavana ary mahatonga azy ireo hiaina amim-pahatahorana an'Andriamanitra; izany hoe manana fifandraisana ety sy tsara amin’Andriamanitra eo amin'ny fiainany, ary milefitra amin’ny Teniny. Manome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy ny tena ny fiainana feno fanoloran-tena sy fahamasinana. Mariho fa ny ankamaroan’ny fitakiana ao amin'ny Sal. 15 dia mampiasa teny manana endrika fandavana (Sal. 15:3-5). Tsy miresaka fomba mety hahazoana sitraka amin’Andriamanitra izany fa fialana amin‘izay mety hampisaraka antsika amin’ Andriamanitra kosa.

Inona ny safidy azontsika atao amim-piheverana tsara mba hialantsika amin'izay zavatra mampanalavitra antsika amin’ Andriamanitra? Inona avy ny sasany amin'ireny zavatra ireny, ary inona ny fomba fsy hahalatsaka ‘antsika amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal