Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jehovah , iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao?

Daty
Talata 19 March 2024

Vakio' ny Sal. 15. Iza no mendrika hanao fankalazana eo anatrehan’ Andriamanitra?

Ny valiny omena ao amin'io Salamo io dia famintinana ireo fitakiana izay efa nomena ao amin’ny lalan’Andriamanitra sy ny mpaminany: ireo izay maneho taratra an’Andriamanitra eo amin'ny asany (‘manao izay mahitsy’) sy ny toetrany (‘ny fony’) (jereo Deo. 6:5; Mika. 6:6-8). Toerana masina ny fitoerana masina, ary ny Zavatra rehetra ao anatiny, isan'izany ny mpisorona, dia voatokana ho masina. Noho izany dia fepetra tsy maintsy arahina ny fahamasinana raha hiditra ao ka ho eo anatrehan’Andriamanitra. Na eo amin'ny fanompoam-pivavahana ataony na ny fitondrantenany, eny, ny eo amin'ny lafim-piainany rehetra dia natao ho masina ny Isiraely. Nomena ny vahoakan’Andriamanitra ny lalana mba hahazoan'izy ireo manatratra ny ambony indrindra eo amin'ny fahafaha- manaony; izany hoe, miaina amin'ny maha-fanjaka-mpisorona azy. Ny fiainam- pahamasinana eo ambanin'ny fanatrehan’Andriamanitra, sy ny fitondrana ny fanekem-pitahiana ho amin'ny firenena hafa, no maha-fanjaka-mpisorona.

Vakio ny Sal. 24:3-6 sy ny Sal. 101:1-3. Inona no atao hoe masina?

“Ny fahitsian’ny fo” no toetra tsara indrindra ananan’ny mpivavaka eo anatrehan’Andriamanitra. Ny teny hebreo tamim izay nadika hoe: “fahitsiana” eto dia maneho “fahatanterahana’ sy “fahafenoana’. llay hazo voaloboka tamim ao amin’ny Ezek. 15:5 dia “tsy mbola nanafahana” na ‘tsy nisy nanombinana”, tsy simba, ary salama tsara. Tsy maintsy tamim koa, na tsy misy kilema, ireo biby natao fanatitra (Lev. 22:21-24). Ny fomba fiteny tamim dia tsy misy lainga fa marina tanteraka (Joba 36:4). Ny fo tamim dia fo “mahitsy’ (Sal. 24:4) na misaintsaina ny marina (Sal. 15:2), fo mitady an’Andriamanitra (Sal. 24:6), ary fo voadio noho ny famelan’Andriamanitra ny helony (Sal. 51:2-10). Ny fiainana tsy misy tsiny dia avy amin’ny fanekena ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Mampahery ny mpanompon'Andriamanitra ny fahasoavana ary mahatonga azy ireo hiaina amim-pahatahorana an'Andriamanitra; izany hoe manana fifandraisana ety sy tsara amin’Andriamanitra eo amin'ny fiainany, ary milefitra amin’ny Teniny. Manome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy ny tena ny fiainana feno fanoloran-tena sy fahamasinana. Mariho fa ny ankamaroan’ny fitakiana ao amin'ny Sal. 15 dia mampiasa teny manana endrika fandavana (Sal. 15:3-5). Tsy miresaka fomba mety hahazoana sitraka amin’Andriamanitra izany fa fialana amin‘izay mety hampisaraka antsika amin’ Andriamanitra kosa.

Inona ny safidy azontsika atao amim-piheverana tsara mba hialantsika amin'izay zavatra mampanalavitra antsika amin’ Andriamanitra? Inona avy ny sasany amin'ireny zavatra ireny, ary inona ny fomba fsy hahalatsaka ‘antsika amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal