Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia

Daty
Alarobia 31 December 2025

Tsy misy filazana velively fa namangy tany Kolosia i Paoly, izay mampiseho indray ny fahombiazan'ny paikadin'ny asa fitoriany. Voalohany, i Epafra, mponina tao Kolosia (Kol. 4:12), no nitondra ny filazantsara tany amin'io tanana io (Kol. 1:7). Saingy ahoana no niovany fo? Azo inoana fa teo antenantenan'ireo taona 50 no nisehoan'izany, rehefa tany Efesosy i Paoly ka "nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia" - Asa. 19:10 (ampitahao amin'ny Asa 20:31).

Ny bokin'ny Apokalypsy no vavolombelon'ny fielezan'ny filazantsara hatrany amin'io faritra io (Apôk. 1:4). Ny fanazavana mitombina indrindra momba io fahombiazana io, anisanlizany ny fahatongavan'ny filazantsara hatrany Kolosia, dia ny asan'ireo niova fo noho ny asan'i Paoly, izay nandre voalohany ny hafatra tany Efesosy, tanana manan-danja indrindra tany Azia Minora sad.y seranana lehibe. Nandre ny toritenin'i Paoly tao Efesosy i Epafra, ary rehefa tonga mpiara-miasa aminy izy, dia nitondra ny filazantsara tany amin'ny tanana nisy azy, dia i Kolosia.

lo tanana io, izay tokony ho 15 kilaometatra any atsimo-atsinanana miala an'i Laodikia, dia mbola vao anaovana fanadihadiana ankehitriny, ka vitsy ny zavatra fantatsika momba azy raha oharina amin'ireo tanana malaza kokoa teo amin'iny faritra iny. Fantatsika kosa fa nisy "Jiosy marobe efa ho iray alina nonina tany amin'io faritr'i Frygia io." — Arthur G. Patzia, New International Biblical Commentary.' Ephesians, Colossians, Philemon (Peabody, MA: Hendrickson Publishers Inc., 1990), b. 10, t. 3.

Ny vola vy namboarina tany Kolosia dia mampiseho fa ny olona tao, toy ny tany amin'ny tanana romanina maro, dia nivavaka tamin'andriamanitra maro samihafa. Mazava loatra fa nahatonga fahasahiranana goavana ho an'ny Kristianina ny fanao jentilisa sy ny fitaomana ara-kolontsaina mahery vaika, tsy teo amin'ny fitoriana ny filazantsara tao amin'ilay tanana ihany, fa teo amin'ny fijoroana ho mahatoky amin'ny finoana madion'ny filazantsara koa. Kristianina iray hafa nisongadina tany Kolosia i Filemona, izay azo inoana fa niova fo niaraka tamin'i Epafra.

Vakio ny Filem. 15,16. Jereo koa ny Kol. 4:9. Iona no torohevitra malefaka nasain'i Paoly narahin'i Filemona tamin'ny fitondrany an'i Onesimosy?

Na dia nitaky ny hamerenan'i Paoly an'i Onesimosy ho an'i Filemona aza ny lalana romanina, dia nanetsika ny fon'i Filemona sy ny feon'ny fieritreretany i Paoly, amin'ny maha mpino namany azy, ary nampirisika azy hitondra an'i Onesimosy, tsy toy ny andevo, fa toy ny rahalahy (Filem. 16).

Na dia halantsika aza ny fanandevozana amin'ny endriny rehetra, ka faniriantsika ny hanamelohan'i Paoly izany fanao izany, ahoana no ahafahantsika mandray tsara ny tenin'i Paoly eto? (Mahaliana tokoa fa, nandritra ny fanandevozana tany Amerika, i Ellen G. White dia nanafatra manokana ny Advantista mba hanohitra ny lalana izay nandidy ny olona hamerina amin'ny tompony ireo andevo nandositra.) 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal