Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Fampidirana

Daty
Sabotsy 28 September 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 2:1-11; Jao. 4: 46-54; Jao. 5:1-16; Mar. 3: 22,23; Mat. 12: 9-14; Jao. 5: 16-47.

Tsianjery :  ‘’Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesôsy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.’’Jao. 20: 30,31.


Nahoana i Jaona no nanoratra ny filazantsarany? Naniry ny hanasongadina ireo fahagagana nataon’i Jesôsy ve izy? Sa niriny ny hanasongadina ireo fampianarana manokana nataon’i Jesôsy? Inona no antony nanoratany ny zavatra nosoratany?

Teo ambany herin’ny Fanahy Masina sy ny hery miasa mangina avy Aminy no nanazavan'i Jaona ny anton’izany. Nambarany fa na dia mbola betsaka aza no azo nosoratana mikasika ny fiainan’i Kristy (Jao. 21:25), dia nosoratany kosa ireo tantara ireo “mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo." – Jao. 20:31.

Hojerentsika mandritra ity herinandro ity ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ny sasany amin’ireo fahagagana voalohany nataon’i Jesôsy – manomboka amin’ny fanovana ny rano ho divay nandritra ny fampakaram-bady anankiray ka hatramin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahasalaman’ny zanakalahin’ny olona iray izay narary mafy ary koa ny fanasitranana ny lehilahy iray tao amin’ny farihin’i Betesda.

Antsoin'i Jaona hoe “famantarana” ireny fahagagana ireny. Tsy ny takela-by famantarana eny an-dalana tsy akory no tiany hambara amin’izany fa toe-javatra isehoan’ny fahagagana izay manondro zava-misy lalindalina kokoa: i Jesôsy amin’ny maha-Mesia Azy. Hitantsika ao amin’ireny tantara ireny ny ohatra ny amin’ireo olona izay naneho asa mitory finoana. Ary manasa antsika hanao toy izany koa ny ohatra nasehon’izy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal