Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ilay fampakaram-bady tao Kana

Daty
Alahady 29 September 2024

Vakio ny Jao. 2:1-11. Inona ny famantarana nataon'i Jesôsy tao Kana, ary ahoana  no nanampian'izany an'ireo mpianany hino Azy?

Porofo nandrisika ny fanapahan-kevitr’ireo mpianatra ny hanaraka an’i Jesôsy ny fahitana an’i Jesôsy nanao fahagagana tamin’ny nanovany ny rano ho divay. Ahoana moa no tsy inoana fa famantarana lehibe manondro ny maha-avy amin’Andriamanitra Azy izany? (Azo heverina fa tsy mbola nahatakatra ny maha-Andriamanitra Azy izy ireo tamin’izany).

Mpitarika ny Isiraelita i Mosesy, ary nitondra azy ireo nivoaka an’i Egipta tamin’ny “famantarana sy fahagagana” – Deo. 6:22; Deo. 26:8. Izy no nampiasain’Andriamanitra mba hanafaka ny Isiraely tamin’ny tanan’ireo Egiptianina. (Azo lazaina ho “mpamonjy” azy ireo izy tamin’izany).

Naminany tamin’ny alalan’i Mosesy Andriamanitra ka nilaza fa hisy mpaminany ho avy izay tahaka azy (Mosesy). Nasain’Andriamanitra nihaino an’io Mpaminany io ny Isiraely (Deo. 18:15; Mat. 17:5; Asa. 7:37). I Jesôsy io “mpaminany” io ary naneho ny famantarany voalohany Izy ao amin’ny Jao. 2, izay mampitodika amin’ny fanafahana ny zanak'lsiraely tao Egipta.

Sady namelona an’ireo Egiptianina ny onin’i Neily no andriamanitra nivavahany. Niantefa tamin’io renirano io ny anankiray tamin’ireo loza avy amin’Andriamanitra – ny nanovana ny rano ho ra. Nanao fahagagana nânam-pitoviana tamin’izany i Jesôsy tao Kana; tsy novany ho ra kosa anefa ny rano fa novany ho divay.

Siny enina izay nampiasaina ho amin’ny fanadiovana araka ny fombafomba jiosy no nasiana ny rano; nampifandray ilay fahagagana bebe kokoa tamin’ireo lohahevitry ny famonjena ao amin’ny Baiboly izany. Ny fitantaran’i Jaona ny nanovana ny rano ho divay, izay mampitodika ho amin’ny fanafahana ny zanak'lsiraely, dia manondro an’i Jesôsy ho Mpanafaka antsika.

Inona no noheverin'ilay mpandahatra ny fanasana momba ny divay tsy nialona andro avy tamin’i Jesôsy? Gaga aoka izany izy noho ny hatsaran’ilay zava-pisotro, ary noho ny tsy fahafantarany ny fahagagana nataon’i Jesôsy dia noheveriny fa notehirizina ho amin’ny farany ny divay tsara indrindra.

Samy antsoina amin’ny teny grika hoe oinos ny ranom-boaloboka vaovao sy ny efa niotrika (jereo ny Seventh-day Adventist Bible Dictionary, t. 1177). Nambaran'i Ellen G. White fa tsy nisy alkaola ny ranom-boaloboka vokatr’ilay fahagagana (jereo ny “Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady" ao amin’ny IFM, t. 143). Tsy isalasalana ny fitalanjonan’ireo izay nahalala ny amin’ny zava-nitranga tamin’io fotoana io.

Inona ny antony anarahanao an’i Jesôsy? (Marobe ny antony nomena antsika, sa tsy izany?)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal