Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.

Daty
Alarobia 01 April 2026

Nanaraka an'i Jesosy nidina tamin'ilay tohatra tery avy tao amin'ny efitrano ambony, ho any an-dalambe, ireo mpianatra. Raha niara-nizotra ho any Getsemane izy ireo, tamin'io alina iray izay anisan'ny manan-danja indrindra eo amin'ny tantaran'ny tany io, dia azo heverina fa tsy tsapan'izy ireo akory ny halalin'ny teny farany nataon'i Jesosy taminy tao amin'ny efitrano ambony.

Inona no nambaran'i Jesosy ao amin'ny Jao. 15:1-11? Inona no hevitr'izany ho antsika?

Ireo teny ireo, izay i Jesosy mihitsy no nilaza azy, no manoritsoritra ny toetry ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Mariho ny matoanteny miverimberina, tsy indroa ihany fa indimy (impolo amin'ny dikanteny anglisy): mitoetra. Ny hoe mitoetra ao amin'i Jesosy dia velona ao anatin'ny fifandraisana Aminy.

Rehefa nanatrika ny hazo fijaliana i Jesosy dia tsy nanasongadina fotsiny ny lanjan'ny fitoerana ao Aminy, fa nambarany tamin'ny fomba mazava sy tsotra ny fomba isehoan izany eo amin'ny fiainantsika.

Tahaka izao izany: Jesosy no voaloboka, ary isika no sampana. Vokatry ny fitoerantsika ao Aminy (ny fifandraisana Aminy), dia hamoa ny sampana. Tsy haintsika ny mampitsiry samirery ny voa. Indraindray isika toy ny hoe efa mitoetra ao Aminy, kanefa ny tsy fahampian'ny voa eo amintsika no manaporofo izany na tsia, ary amin'ny farany aza dia ho maina ny sampantsika. Raha toa isika ka sampana maina dia hotapahin'ilay Mpamboatra amin'ny voaloboka, amin'ny farany. Na mamoa isika na tsia, dia tsy maintsy rantsanana ny sampantsika.

Tahaka izany ihany, samy miatrika fihaikana sy fotoan-tsarotra isika rehetra. Raha mitoetra ao Aminy isika, dia hiteraka voa bebe kokoa amin'ny fotoana maharitra izany. Ny fitondrana voa no manamarina ny maha mpianatra antsika. Mamoa isika mba hanomezam-boninahitra Azy, fa tsy ny tenantsika. Ny hoe mitoetra ao amin'i Jesosy dia midika ho fitandremana ny didiny izay maneho taratra ny toetrany kanto sy feno fitiavana tsy mihevitra ny Azy. Mitondra fifalian-dehibe ny fitoerana ao Aminy. Ny mitoetra ao amin'i Jesosy dia midika hoe manao izay asainy atao, ho setrin'ny fitiavany. "Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3.

Raha dinihina, dia ny fitoerana ao amin'i Jesosy no anankiray amin'ireo fanefitra sahaza ny toetra maha Laodikianina antsika (Apok. 3:20; Jao. 15:4). Tsiambaratelo lehiben'ny fiainana tanteraka sy misy heviny eto an-tany sy any amin'ny mandrakizay izany, kanefa isika mora manadino ny torohevitra omen'i Jesosy.

Farany, hoy i Jesosy amin'ny tsirairay amintsika: "Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo, tomoera Jesosy no fatorana mafy indrindra manintona antsika hanakaiky Azy, ary rehefa oera amin'ny fitiavako hianareo." Jao. 15:9. Ny fitiavan'i mahafantatra izany fitiavana izany isika, dia ho voakasika ny fontsika hamaly fitia an'Andriamanitra sy ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal