Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 05 June 2026

Matetika ny Baiboly no mampiasa fanoharana momba ny fambolena hanoritsoritana ny toetrantsika ara-panahy. Ohatra iray mahazava tsara nodinihintsika tamin'ity herinandro ity ny voalaza ao amin'ny Hôs. 10:12:

"Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinja araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehôvah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo."

Mamafy isika, mijinja, miasa ny tany mafy, ary mitady an'Andriamanitra mba hanakaiky antsika. Tsy maintsy amboarina sy omanina ho amin'ny firotsahan'ny ranonorana (ny Fanahy Masina) ny tanin'ny fontsika. Azon'Andriamanitra atao ny manome antsika faniriana hanomana ny tany, saingy raha ny marina, ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia fiaraha-miasa (jereo ny Fil. 2:12,13). Tsy maintsy mitodika any Aminy isika, manatsotra ny tanantsika, ary mamikitra Aminy. Avy eo izy no miasa ao anatintsika hanao ny sisa.

Ato amin'ireto andininy ireto ny ohatra iray lehibe momba ny hevitry ny hoe mifikitra amin'Andriamanitra: "Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehôvah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan’i Jehôvah Andriamanitrao tsy ho eo aminao. Fa hianareo izay nifikitra tamin’ i Jehôvah Andriarnanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao."- Deo. 4:3,4.  

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy" - Mat. 6:13. Nampianarin'i Jesôsy manokana ny mpianany hivavaka toy izany. Ary isika vemihazona izany toe-tsaina izany amin'ny vavaka ataontsika isan'andro? Impiry ianao no mivavaka mangataka fiarovana tsy ho azon'ny fakam-panahy sy ny fahotana?

2. Ahoana no hanazavanao amin'ny olona tsy Kristianina na vao niova fo ny amin'ilay fanomezan-tsarobidy, dia ny akanjom-pahamarinan'i Kristy?

3. Ahoana no ifandraisan'ny akanjom-pahamarinan'i Kristy amin'ny hafatra voizin'ny fitoerana marina, izay momba ny famelan'Andriamanitra ny heloky ny mpanota mibebaka sy ny fanadiovany azy? Hatraiza ny fahafantaranao ny hakanto sy ny hasarobidin'izany hafatra izany? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal