JOSOA SY ISIKA
Amin'ny maha tandindona azy, ny fiainan'i Josoa dia manondro mihoatra lavitra noho ny asa fanompoan'i Jesosy Kristy ka manondro ny fahatanterahan'ny tandindona eo amin'ny flainan'ny fangonana, izay tenan'i Kristy. Amin'ny lafiny Inona ireo ady nataon'ny Isiraely teo ambany fitarihan'i Josoa no tandindon'ireo tolona ara-panahin'ny fiangonana? Inona no maha samihafa ireo ady ireo amin'ny antsika? Jereo ny 1 Tim. 1:18; 2 Tim. 4:7; Efes. 6:10-12; 2 Kor. 10:3-5 ary ny Asa. 20:32.
Ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao dia manaiky ny fahatanterahan'ny tandindon'i Josoa eo amin'ny fiangonana. Mandray anjara amin'ny ady ara-panahy amin'ny herin'ny ratsy ireo rantsam-batan'i Kristy, dia ny fiangonana; na izany aza, misitraka ny fitsaharana avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (Heb. 4:9-11) sy ny fitahiana avy amin'ny lovany ara-panahy izy ireo.
Inona no lazain'ireto andininy ireto momba ny fahatanterahana faratampon'ny tandindon'i Josoa? 1 Pet. 1:4; Kôl. 3:24; Apôk. 20:9; Apôk. 21:3.
Ho tonga amin'ny faratampon'ny fahatanterahany ny tandindon'i Josoa amin' ny fiavian'i Jesosy Kristy fanindroany (lafiny Apokaliptika/fiafaran'izao tontolo izao).
Nitaratra betsaka ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'i Josoa hany ka nanana endrika faminaniana ny lafiny sasany tamin'ny fiainany, izay naneho mialoha ny asa sy ny Personan'ny Mesia.
Ho antsika ankehitriny, efa tonga ny Mesia. Tsy mila tandindona hanehoana mialoha ny asa fanompoany intsony isika, kanefa mbola manana tombontsoa kosa isika haneho ny toetrany ny voninahitra izay nirin'i Kristy hozaraina tamin'ireo mpianany (Jao. 17:22), ary azontsika ananana izany amin'ny fibanjinantsika ny toetran'i Kristy (2 Kor. 3:18). Arakaraka ny hibanjinantsika an'i Jesosy no hanehoantsika bebe kokoa ny hatsaran'ny toetrany. hatsaran'ny toetrany. Zava-dehibe fototra izany, maneho ny vokatry ny fiarahantsika isan'andro amin'i Kristy. Izany no maha zava-dehibe ny fotoana - isan'andro ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izany koa no antony tokony hanokanantsika fotoana handinihana ny fiainana sy ny toetra ary ny fampianaran'i Jesosy. Eny, ny fibanjinantsika no manova antsika.
I Josoa, Ilay tandindona, dia nanontany ny Isiraelita hoe: "Mandra-pahoviana no hiahoftahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehôvah , Andriamanītry ny razanareo, anareo?" - Jos. 18:3. Raha I Jesôsy , Ilay tena Josoa, no mametraka izany fanontaniana izany ankehitriny, ahoana no hilazany azy?