Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk , 6:12-17; Mat. 24:36-44; Gen. 6:1-8; 2 Pet. 2:4-11; Gen. 18:17-32; Dan. 7:9,10

Tsianjery:

"Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." - 1 Kôr. 10:11,12.

Feno ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra ny Baiboly, izay manondro toe-javatra hiseho amin'ny hoavy sy manampy antsika hahatakatra ny "fahamarinana ankehitriny." Ny sasany amin'ireo tantara ireo tokoa mantsy dia manambara mialoha izay hitranga any am-parany any amin'ny tsipiriany mahagaga, ka manome antsika fototra mivelatra kokoa hahatakarantsika mazava ireo faminaniana ao amn'ny Daniela sy ny Apokalipsy.

Hain Andriamanitra ny nifehy ny toe-java-nitranga, nefa tsy nanitsakitsaka ny fahafahan'ny tsirairay manaraka ny feon'ny fieritreretany Izy, ka nataony mifanaraka tanteraka amin'izay efa nambaran'ny mpaminany fa hitranga amin'ny andro farany izany. Mazava ny sasany amin'ireo tantara manan-danja ireo satria miresaka momba azy manokana ny Testamenta Vaovao ho fanoritsoritana ireo tranga amin'ny andro farany, toy ny tantaran'i Sodoma sy Gomora, ny Safo-drano, sns. Ny hafa kosa dia mitaky fandinihana sy fandalinana tsara mba hahazoana manatsoaka avy aminy ny fahamarinana izay nomena antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Handinika tantara manan-danja vitsivitsy isika mandritra ny roa herinandro manaraka, mba hahitantsika izay mety hambarany momba ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny fitsarana famotopotorana, ny fotoan-tsarotra farany, sy ny hafa koa. Ho hitantsika eo afovoan'izany rehetra izany i Kristy satria Izy no tsy maintsy fototra sy tanjona faran'ireo faminaniana dinihintsika.

*Famerenana ny lesona ny sabata 07 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal