Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk , 6:12-17; Mat. 24:36-44; Gen. 6:1-8; 2 Pet. 2:4-11; Gen. 18:17-32; Dan. 7:9,10

Tsianjery:

"Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." - 1 Kôr. 10:11,12.

Feno ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra ny Baiboly, izay manondro toe-javatra hiseho amin'ny hoavy sy manampy antsika hahatakatra ny "fahamarinana ankehitriny." Ny sasany amin'ireo tantara ireo tokoa mantsy dia manambara mialoha izay hitranga any am-parany any amin'ny tsipiriany mahagaga, ka manome antsika fototra mivelatra kokoa hahatakarantsika mazava ireo faminaniana ao amn'ny Daniela sy ny Apokalipsy.

Hain Andriamanitra ny nifehy ny toe-java-nitranga, nefa tsy nanitsakitsaka ny fahafahan'ny tsirairay manaraka ny feon'ny fieritreretany Izy, ka nataony mifanaraka tanteraka amin'izay efa nambaran'ny mpaminany fa hitranga amin'ny andro farany izany. Mazava ny sasany amin'ireo tantara manan-danja ireo satria miresaka momba azy manokana ny Testamenta Vaovao ho fanoritsoritana ireo tranga amin'ny andro farany, toy ny tantaran'i Sodoma sy Gomora, ny Safo-drano, sns. Ny hafa kosa dia mitaky fandinihana sy fandalinana tsara mba hahazoana manatsoaka avy aminy ny fahamarinana izay nomena antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Handinika tantara manan-danja vitsivitsy isika mandritra ny roa herinandro manaraka, mba hahitantsika izay mety hambarany momba ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny fitsarana famotopotorana, ny fotoan-tsarotra farany, sy ny hafa koa. Ho hitantsika eo afovoan'izany rehetra izany i Kristy satria Izy no tsy maintsy fototra sy tanjona faran'ireo faminaniana dinihintsika.

*Famerenana ny lesona ny sabata 07 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal