Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Ny Soratra Masina sy ny fahamarinana

Daty
Alakamisy 05 December 2024

Mitana anjara toerana lehibe ny Soratra Masina ao amin'ny filazantsara manontolo, amin'ny fanambarana amintsika momba llay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Manana anjara lehibe amin'ny fanambarana ny fahamarinana ny Baiboly, ny TV sy ny TT, ny Soratra Masina. Mitombina tokoa izany, indrindra rehefa miresaka momba ny fampianarana hoe: Iza i Jesôsy? Hanao inona no nahatongavany?

Vakio ny Jao. 5:38-40. Inona no lazain' i Jesôsy eto momba ny Soratra Masina?

Imbetsaka i Jesôsy sy ny mpianany no manondro ny Soratra Masina mba hanamarinana fa Izy no Mesia. Hoy i Kristy: "Fa raha nino an'i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?" - Jao. 5:46,47.

Vakio ny Lio. 24:27. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny nampiasan'i Jesôsy ny Soratra Masina mba hanambarana ny hevitry ny asany?

Any amin'ny andininy hafa dia naka andalan-teny avy ao amin'ny Eksôdôsy i Kristy ka nilaza hoe: "moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo (...)?" - Mat. 22:31. Nilaza ny amin'ireo teny fikasan'Andriamanitra koa i Zakaria fa Andriamanitra nampilaza ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola (Lio. 1:70). Ary tao anatin'ny toriteniny tamin'ny Pentekôsta dia hoy i Petera: "Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesôsy ." - Asa. 1:16.

Tsy lahatsoratra momba ny siansa tsy akory ny Baiboly. Tsy manazava ny fomba fizarazarana ny atoma izy na ny fandidiana atidoha. Zava-manan-danja mihoatra lavitra noho izany no ataony. Ao ny tontolon-kevitra mampisy heviny ny tontolo misy antsika. Izy no fanalahidy mamoha ny varavarana, fahazavana mahatonga ny maso hahita. Raha tsy nisy azy dia ho nitoetra tao anatin'ny haizina isika ka tsy ho nahalala akory ny fisian'Andriamanitra, na ny anjara asany eto amin'izao tontolo izao, na ny niandohantsika, na ny hevitry ny fiainana, na ny hoavy.

Inona avy ireo fahamarinana sasany ao amin'ny Baiboly izay tsy hain'ny siansa velively ampianarina antsika, na amin'ny alalan'ny tsangan-kevitra aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal