Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 30 August 2025

Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 24:1-18; 1 Kor. 11:23-29; Lev. 10:1,2; Ezek. 36:26-28; Eks. 25:1-9; Eks. 31:1-18.

Tsianjery:

"Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehôvah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay." - Eks. 24:3

Nirin'Andriamanitra ny hiaraka amin'ny olony sy hitoetra eo amin'izy ireo amin'ny maha-Andriamaniny sy Mpamorona ary ary Mpanavotra Azy. Noforoniny hanana firaisana ety Aminy isika. Mitaky fotoana sy ezaka anefa ny fifandraisana manan-danja amin'ny hafa, tahaka izany koa ny fifandraisana mijidina izay ifandraisantsika amin'Andriamanitra. Mety ho fanandramana mahasoa sy manandratra tokoa izany raha manokana fotoana iarahana Aminy isika. Raha lazaina amin'ny teny tsotra, dia izao no hevitr'izany: fandinihana ny Teniny (Andriamanitra miteny amintsika), vavaka (fanokafana ny fontsika Aminy) ary fijoroana ho vavolombelon'ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiverenany (fanaovana ny asa nampanaovin'Andriamanitra). Ho tonga fantsom-pitahiana ho an'ny hafa isika rehefa mitahy antsika Andriamanitra.

Andriamanitra no tokony hifantohana fa tsy ny tenantsika (Heb. 12:1,2). Amin'ny fifandraisantsika Aminy no handraisantsika hery hoenti-manaraka ny Fampianarany, izay midika ho fankatoavana ny Teniny. Tsy mahagaga raha tahaka izao ny fanoritsoritana ny taranaka mpanara-dia an'i Kristy amin'ny andro farany: "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ." - Apôk. 14:12.

Tsotra tokoa izany: tia an'Andriamanitra isika, ary noho izany fitiavana izany no ankatoavantsika Azy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 06 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal