Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 01 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 10:1-14; Apôk . 13:1-8; Jôba 1:1-12; Joba 2:1-7; Jao. 12:31; Jao. 14:30; Mar. 6:5; Mar. 9:29.

Tsianjery:

"Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." - 1 Jao. 3:8

Tantara miavaka anankiray izay maneho ny toetry ny fifanandrinana lehibe ny 1 Mpanj. 18:19-40. Teo an-tendrombohitra Karmela i Elia ary teo no nampihariharian'i Jehôvah ny toetr'ireo izay antsoina hoe "andriamanitry ny firenena." Tsy zavatra noforonin'ny sain'ireo mpanompo sampy fotsiny ireo "andriamanitra" ireo. Nisy zavatra hafa tao ambadik'ireo "andriamanitra" izay noheverin'ny firenena nanodidina ny Isiraely fa notompoiny.

"Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho, izay tsy natahoran'ny razanareo. Deo. 32:17. Izao no nanampian'i Paoly izany: "Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo." - 1 Kôr. 10:20.

Ny demonia nisaron-tava no tao ambadik'ireo andriamani-tsy izy izay nivavahan'ny firenena. Midika izany fa ny lahatsoratry ny Soratra Masina rehetra momba ny fanompoan-tsampy sy ny andriamani-kafa dia lahatsoratra mahakasika ny "fifanandrinana lehibe."

Feno kokoa ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy noho ny amin'izany tontolon-kevitra izany. Ary izany fahamarinana izany dia misy fiantraikany goavana eo amin'ny fahatakaran-javatra bebe kokoa mahakasika ny toetr'io fifanandrinana io sy ny fitondrany fanazavana mikasika ny olan'ny faharatsiana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal