Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Ny dragona ao amin’ny Apôkalipsy.

Daty
Alatsinainy 03 March 2025

Voafintina ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny formba fijery ankapobeny momba ireo mpanapaka eny amin'ny rivotra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe manerana izao tontolo izao, izay anehoana ny devoly amin'ny alalan'ny "dragona" manohitra an'Andriamanitra sy "mamitaka izao tontolo izao" (Apôk . 12:9).

Vakio ny Apôk. 13:1-8. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo momba ny velaran'ny fanapahan'ilay dragona?

Tsy hoe miady amin'Andriamanitra sy ny mpanompony fotsiny ilay dragona (i Satana) (Apôk . 12:7-9, jereo koa ny Apôk. 12:1-6), fa aseho ho mpanapaka ao ambadik'ireo fanjakana eto an-tany izay manenjika ny vahoakan Andriamanitra manerana ny tantara koa izy.

Nomen'ilay dragona an'ilay bibidia avy amin'ny ranomasina "ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe" - Apôk. 13:2; ampitahao amin'ny Apôk. 13:5; Apôk. 17:13,14. "Nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy. ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana" io bibidia avy amin'ny ranomasina io (Apôk. 13:5).

Araka izany dia nomen'i Satana (ilay dragona) fahefana sy fanapahana ny bibidia iray (fahefana ara-politika sy ara-pivavahana iray eto an-tany). Ampiasaina izany fahefana izany mba handrombaka ny fiankohofana tokony hatao amin'Andriamanitra. Miteny ratsy ny anaran Andriamanitra io bibidia io, miady amin'ireo olo-masin Andriamanitra koa izy ary mandresy azy ireo mihitsy aza, farafahakeliny mandritra ny fotoana iray voafaritra. Ny dragona, izay mpandroba fahefana manapaka eto amin'ity tontolo ity no nanolotra azy izany fahefana sy fanapahana eto an-tany izany.

Misy fetra mazava anefa napetraka tsy hihoaran'i Satana sy ireo anjeliny, ary misy fe-potoana voafetra koa. "Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny. Apôk. 12:12.

Fantatr'i Satana fa "kely sisa ny androny Apôk. 12:12, ary ireo toe-javatra resahin'ny Apokalipsy dia mifandraika amin'ny fe-potoana ara-paminaniana izay mampiseho fetra voafaritra manokana ho an'ny fanapahan'ireo herin'ny ratsy ireo (jereo ny Apôk . 12:14; Apok. 13:5).

Eny tokoa, mandresy Andriamanitra amin'ny farany. "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." - Apôk. 21:4.

Handresy ny ratsy mandrakizay ny tsara amin'ny farany, na dia sarotra ho antsika aza ny mahita Izany ankehitriny. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy hanadinoana na oviana na oviana izany teny fikasana mahafinaritra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal