Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Ny momba an’i Jôba.

Daty
Talata 04 March 2025

Toe-javatra mahaliana izay maneho ny maha-zava-misy marina ny fifanandrinana lehibe no aseho antsika ao amin'ny bokin'i Jôba.

Vakio ny Jôba 1:1-12 sy ny Jôba 2:1-7. Inona no foto-kevitry ny fifanandrinana lehibe aseho amintsika eto?

Tsipirian-javatra manan-danja maro no azo raisina avy amin'ireo andalan-teny ireo. Voalohany dia hitantsika ny karazana filan-kevitra tany an-danitra; tsy Andriamanitra sy i Satana irery no niresaka tamin'izany fa misy mponin'ny lanitra hafa koa nanatrika tao.

Faharoa, misy tsy fifanarahan-kevitra ao, izay asehon'ny fametrahan'Andriamanitra fanontaniana amin'i Satana raha toa ity farany efa nandinika an'i Jôba. Inona no antony andinihana an'i Jôba? Manan-danja io fanontaniana io ao anatin'ny tontolon-kevitry ny ady iray izay lehibe kokoa sy tsy mbola mifarana.

Fahatelo, raha nanondro an'i Jôba ho tsy manan-tsiny sy marina ary matahotra an'Andriamanitra i Jehôvah , i Satana kosa dia milaza fa fisehoana ivelany fotsiny ny fahatahoran'i Jôba an'Andriamanitra noho izy arovan'Andriamanitra. Sady miampanga ny toetran'i Jôba izany no miampanga an'Andriamanitra koa (ampitahao amin'ny Apôk. 12:10; Zak. 3).

Fahefatra, ampangain'i Satana ho tsy ara-drariny ny fiarovan'Andriamanitra an'i Joba (ny fefy ataony manodidina an'i Jôba) ary manakana ny fahafahany (i Satana) manaporofo ny fanambarany. Mampiseho ny fisian'ny fetra apetraka ho an'i Satana izany (fitsipika mifehy ny ady), ary maneho koa fa efa niezaka hanisy ratsy an'i Jôba izy.

Namaly ny fiampangan'i Satana teo anatrehan'ny filan-kevitry ny lanitra Andriamanitra ka namela azy hampihatra ny tohan-keviny; nisy ihany anefa ny fetra tsy azon'i Satana nihoarana. Voalohany dia nomen'Andriamanitra fahefana izy hikasika "izay ananany [Joba] rehetra" fa ny tenan'i Jôba kosa no tsy navelany nokasihiny (Joba 1:12). Taty aoriana, rehefa nanao fanambarana indray i Satana fa tsy mihevitra afa-tsy ny momba ny tenany i Joba, dia navelan'Andriamanitra hikasika ny tenan'i Jôba izy fa tsy haningotra ny ainy kosa (Joba 2:3-6).

Loza marobe no namelezan'i Satana ny tokantranon'i Jôba. Tao anatin'izany anefa dia mbola nanohy nisaotra ny anaran'i Jehôvah ihany i Jôba (Jôba 1:20-22; Jôba 2:9,10). Nandiso ny fiampangana nataon'i Satana izany.

Maro ny lesona ianarantsika eto, toy ny fisian'ny fitsipika mifehy ny ady ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe. Misy fepetra azo raisina mba hanaporofoana ny fahadisoan'ireo fiampangana an'Andriamanitra any amin'ny fitsaran'ny lanitra nefa tsy mandika ireo fitsipika masin'ny fitiavana - ny fitiavana izay fanorenan'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra sy ny fanapahany an'izao rehetra izao sy ireo voary manan-tsaina monina eo aminy.

Ny toe-javatra niseho tany an-danitra ao amin'ny bokin'i Jôba no maneho hevitra mahaliana amintsika mikasika ny fifanandrinana lehibe sy ny fomba fisehon'izany eto an-tany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal