Manohy mandrisika ireo Korintianina mba hihavana amin'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 6:3-10. Mitanisa fahoriana sy fandresena maro izy mba hanehoana ny hevitry ny hoe mpanara-dia an'i Kristy sy mpanompon'Andriamanitra. Raha fintinina, dia mitanisa ireo toe-java-tsarotra izy (2 Kor. 6:4, 5), ireo toetra tsara sy mendrika (2 Kor. 6:6), ny fitaovana ilaina ho amin'ny fanompoana (2 Kor. 6:7) ary ny zava-tsarotra sy ny toe-javatra samihafa atrehina eo amin'ny fanompoana (2 Kor. 6:8-10). Rehefa avy nananatra ireo mambran'ny fiangonan'i Korinto i Paoly ny mba hihavanan'izy ireo amin'Andriamanitra, dia niantso azy ireo mba hanana fiainam-pahamasinana. Mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy mihataka amin'ny hery miasa mangina mampidi-dozan'ireo tsy mpino sy izay zavatra tsy madio izy ireo (2 Kor. 6:14-17).
Vakio ny 2 Kor. 6:11-7:1. Araka Ireo toko sy andininy Ireo, toy ny ahoana no atao hoe fiainam-pahamasinana?
Asongadin'i Paoly ao amin'ireo andalan-teny ireo ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ao anatin'ny fiangonana (1 Kor. 6:11-13). Ny porofo ahitana fa efa vita fihavanana amin'Andriamanitra ny olona, dia ny fitadiavan'izy ireo fihavanana amin'ny hafa. Eny tokoa, manjary mpitondra fihavanana eo amin'ny olona iży ireo.
Manaraka izany, ny antso ho amin'ny fahamasinana dia aseho amin'ny alalan'ny fanentanana enina: (1) "Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino"- 2 Kor. 6:14; (2) "mivoaha eo aminy hianareo"- 2 Kor. 6:17; (3) "misaraha aminy"- 2 Kor. 6:17; (4) "aza manendry izay zavatra tsy madio"- 2 Kor. 6:17; (5) "aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo na amin'ny fanahy"-2 Kor. 7:1; (6) "hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra."- 2 Kor. 7:1. Ireo fananarana ireo no maneho fa llay Andriamanitra masina dia mitaky antsika hanana fiainam-pahamasinana sy hisaraka amin'ny sampy.
Etsy andaniny, dia manome teny fikasana fito ihany koa ireo andalan-teny ireo, izay manasongadina ny anjara asa tanan'ny fiangonana kristianina amin'ny maha-tempoly masina azy: (1) "Honina eo aminy Aho"; (2) "handeha eo aminy [Aho]"; (3) "ho Andriamaniny Aho"; (4) "ary izy ho oloko"; (5) "ary Izaho dia handray anareo"; (6) "ho Rainareo Aho"; (7) "hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy"- 2 Kor. 6:16, 17, 18.
Mariho fa ny teny fikasana efatra ao amin'ny 2 Kor. 6:16 no fototra iorenan'ireo baiko telo ao amin'ny 2 Kor. 6:17 (jereo ny teny hoe "Koa" ao amin'ny fiandohan'ny 2 Kor. 6:17). Izany no maneho fa tsy vokatry ny ezaka ataon'olombelona ny fahamasinana fa asan'ny Fanahy Masina ao am-po. Na dia avy amin'Andriamanitra aza ny fahamasinana, dia tsy maintsy manao ny anjara tandrifiny ny mpino ka mandositra ny fanompoan-tsampy sy ny fanao tsy madio rehetra.
Inona no ambaran'ireo teny fikasan'Andriamanitra ao amin'ny 2 Kor. 6:16-18 amintsika momba ny atao hoe fahamasinana?