Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.

Daty
Alakamisy 03 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 7. Nanao ahoana ny fihetsehampon'i Paoly raha reny fa nibebaka Ireo Korintianina?

Fitiavan-dehibe tokoa no fonosir'ny teny hoe: "ao am-ponay hianareo"- 2 Kor. 7:3; jereo koa ny 2 Kor. 6:11. Izao koa no nolazain'i Paoly noho ny faniriany lalina ny hamaliana fitia izany fitiavany izany: "Ataovy omby anay ny fonareo"- 2 Kor. 7:2. Tsy ahitana ny teny hoe "ao am-ponareo" ao amin'ny lahatsoratra grika, nefa maro ireo dikanteny manampy izany, ary tsy diso izany satria manohana azy ny tontolon-kevitry ny lahatsoratra.

Nanokatra ny fon'izy ireo ho an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy tokoa ireo Korintianina. Izany no mahatonga ny and. 4 ho fanehoam-pifaliana lehibe. Asehon'ny tenin'i Paoly fa fihetsehampo miabo no tsapany tamin'izany fotoana izany: "Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra."- 2 Kor. 7:4. Feno fiononana sy hafaliana i Paoly. Endrey ny fiononana sy ny fifaliana ao am-pon'ireo mpitandrina ny fiangonantsika rehefa manolo-tena amim-pahatokiana ho an'i Kristy isika!

Manazava bebe kokoa ny anton'izany fiononana sy fifaliana izany i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 7:5-16. Ireo lohahevitra roa ireo no tena foto-dresak'io toko io. Impito raha atontaly no ahitana ny matoanteny parakaleō ("mampionona") na ny anarana paraklēsis ("fampiononana") ao amin'ny 2 Kor. 7. Mifarana amin'ny fomba niantombohany ihany io ampahany amin'ilay epistily io, amin'ny fampiononana avy amin'Andriamanitra (2 Kor. 1:3-7). Ny fiononan'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 7 dia avy amin'ny fahamaivamaivanana tsapany, satria nitondra ny vokatra nandrasany ny epistily fananarana nosoratany ho azy ireo.

Na dia vokatry ny tatitra tsara nataon'i Titosy aza ny fahamaivamaivanana tsapan'i Paoly, dia Andriamanitra no tena nitondra fampiononana ho azy (2 Kor. 7:6). Andriamanitra tokoa no "Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra."- 2 Kor. 1:3, 4.

Mahaliana fa "be hafaliana" i Paoly raha "feno fiononana."- 2 Kor. 7:4, 7, 13. Na dia niteraka falahelovana aza ny epistily hentitra sy feno fananarana nosoratany, dia alahelo araka ny sitrapon'Andriamanitra izay miasa fibebahana izany (2 Kor. 7:9-11). Alahelo "araka an'Andriamanitra" no tao amin'ireo Korintianina (2 Kor. 7:11), alahelo izay "miasa fibebahana ho famonjena."- 2 Kor. 7:10. Inona moa no mitondra fifaliana lehibe kokoa mihoatra noho ny fanompoana tena izy an'Andriamanitra.

Efa nahatsapa alahelo araka an'Andriamanitra ve ianao teo amin'ny fiainanao? Ahoana no nahalalanao fa alahelo mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra izany, izay nitarika anao hibebaka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal