Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.

Daty
Alakamisy 05 March 2026

Vakio ny Kol. 2:20-23. Ahoana no fahatakaranao ny fananaran'l Paoly raha jerena miaraka amin'ireo hevitra hafa resahina ao amin'ity toko ity?

Toy ny ao amin'ny epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Galatianina, dia antsoiny hoe "abidim-pianaran'izao tontolo izao" ny fifikirana amin'ireo lalana seremoniely jiosy (Kôl. 2:8,20; ampitahao amin'ny Gal. 4:3,9). Raha lazaina amin'ny teny hafa, tahaka ny tempoly tety an-tany, dia an'ny tany ireo zavatra ireo, kanefa isika dia olom-pirenen'ny lanitra. Tsy ilaintsika ny mitondra ny enta-mavesatry ny lalana seremoniely satria aloka ihany ireny, izay maneho ny zava-misy iainantsika ao amin'i Kristy ankehitriny. Izany hoe, na dia Andriamanitra mihitsy aza no nanome ireny fitsipika ireny, dia tsy manan-danja intsony ireny ankehitriny satria efa tontosa ny anjara asany.

Koa satria efa foana teo amin'ny hazo fijaliana ireo fitsipika rehetra ireo, araka izay nasehon'ny Tanan'Andriamanitra nandriatra ny efitra lamban'ny tempoly (Mat. 27:51; ampitahao amin'ny Dan. 9:27), dia tsy fehezin'ireo intsony ny Kristianina (anisan'izany ireo Kristianina jiosy). Raha milefitra eo ambany fifehezan'ireo didy ireo isika, dia mifikitra amin'ity tontolo ity izay efa ho foana fa tsy amin'ilay tontolo sy fiainana vaovao izay ampanantenaina antsika ao amin'i Kristy.

Isika rahateo dia manantena fatratra "lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana." -2 Pet. 3:13, fa tsy ny fanavaozana fotsiny ity tontolo ity.

Ankoatra ny fanampian'ireo Fariseo sy mpanora-dalána ny fitakian'olombelona marobe tamin'ireo lalan'i Mosesy (jereo ny Mar. 7:1-3), dia tsy azo heverina ho fitakian Andriamanitra intsony, fa didy napetrak'olombelona, ny fanohizana ny fitandremana ireo fombafomba ao amin'ny Testamenta Taloha izay efa tanteraka ao amin'i Kristy. Toa nanjary vesatra ho an'ny finoana aza izany fa tsy manamafy orina azy. Mora loatra ny mihevitra fa izay mahatanteraka ny fitandremana ireny rehetra ireny dia ambony raha miohatra amin'ireo izay tsy mitandrina azy: izany toe-tsaina izany dia efa mampidi-doza. Ary ratsy kokoa noho izany aza ny fiheveran'ny olona fa hahazoany famonjena ny fitandremana ireny fitsipika ireny. Fandrika iray izay tsy tokony hahatafalatsaka antsika izany.

Manerana ny tantaran'ny fivavahana kristianina, dia manam-pahaizana momba ny Baiboly maro no tafalatsaka tao anatin'ny fakam-panahy amin'ny fanaovana fanambarana araka ny andraikitra tanany ara-pivavahana ka misandoka ny anjara asan'ny Fanahy Masina amin'ny filazana amin'ny mpino ny hevitry ny andalan-tSoratra Masina. I Kristy anefa no loharanon'ny fahamarinana ao amin'ny Soratra Masina, araka izay nampianarin'i Paoly sy ireo mpanoratra hafa ny Baiboly.

Izay efa nataon'i Jesôsy ho antsika no hany fototra lorenan'ny famonjena antsika tsy miankina amin'ny asantsika izany na amin'ny fiovana tsara ataony ao anatintsika koa aza. Ahoana no ahazoantsika antoka fa takatsika tsara izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal