Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.

Daty
Alarobia 11 March 2026

Rehefa avy nanoritsoritra ireo fahazaran-dratsy sy toetra ratsy i Paoly, izay tokony hariana rehefa manatona an'i Kristy, dia miroso amin'ny lafiny tsara izy-toy ny fialana amin'ny maizina ho amin'ny fahazavana.

Vakio ny Kol. 3:12-14. Ahoana no anoritsoritana ny mpino, ary ahoana, araka ny hevitrao, no ifandraisan'izany amin'ireo toetra tokony "hotafiany"?

Tahaka ny Isiraely, izay nantsoin Andriamanitra ho vahoakany manokana sy haneho ny toetrany, ny mpino an'i Jesosy dia «olom-boafidin Andriamanitra» (Kol. 3:12), «masina». Tsy ny rehetra anefa no miaina araka izany antso izany. Araka ny nolazain'i Jesosy hoe: «Maro no antsoina, nefa vitsy no fidina (Mat. 22:14, ampitahao amin'ny Mat. 24:22, 24, 31). Mitovy hevitra amin izany koa i Paoly rehefa miresaka momba ny Kristianina (Rôm. 8:33, 2 Tim. 2:10). Ary. tahaka ny Isiraely, ny mpino dia «tian Andriamanitra» («malala») sy «masina (Deo. 7:6-8). Misy andraikitra lehibe miaraka amin'izany tombontsoa izany: ny «hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala amin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga» 1 Pet. 2:9. Ary amin'ny alalan'ny fomba fiainantsika ankehitriny no anaovantsika izany.

Jereo ireto toetra valo tanisain'i Paoly ireto: «Famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, (...) mifamelà heloka, (...) Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana» -Kol. 3:12-14. Tsy mipololotra afa-tsy avy amin'ny fo miray amin' Kristy ireo toetra ireo, satria ireo dia mamaritra ny toetran'i Kristy sy ny fomba nifandraisany tamintsika. Tokony hamela heloka ny hafa isika «tahaka ny namelan'ny Tompo» ny helotsika (Kol. 3:13). Ny fitiavana no «fehin'ny fahatanterahana» (Kol. 3:14), satria ny fitiavany antsika no mamatotra antsika Aminy ary mahatonga antsika ho afaka mitia marina ny hafa (1 Jao. 4:11,12).

Misy akony eo amin'ny fifandraisantsika ireo toetra ireo amin'ny lafiny roa. Voalohany, ny fanehoana fitiavana, famindram-po, hatsaram-panahy, ary famelan-keloka amin'ny hafa dia mitondra fitahiana ho antsika sy ho an'ny hafa. Manome fahafaham-po ny mitia sy manampy ny hafa. Ary ny hafa koa, raha ny tokony ho izy, dia hamaly antsika tahaka ízany, koa mandray tsy tapaka ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin Andriamanitra isika (Mat. 5:7, Mat 6:14). Faharoa, ary zava-dehibe kokoa, manome voninahitra an'Andriamanitra izany, ary mety handrisika ny hafa hino sy hanaraka an'i Jesôsy , satria maneho ny herin'ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra izany. Tsy misy hery hafa izay afaka hanodidina ny fanahin olombelona ho manan-kery tahaka ny hery miasa avy amin'ny fiainana tsy misy fitiavan-tena. Ny fonjan-kevitra mahery vaika indrindra manohana ny filazantsara dia ny Kristianina be fitiavana sy maha-te ho tia.» - TMF, t. 313.

Manao ahoana ny fanehoanao an'i Jesôsy eo amin'ny fomba fifandraisanao amin'ny hafa, indrindra amin'ireo izay mety tay tsara fanahy aminao?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal