Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 11 September 2026

VM, toko 32, "Fiangonana malala-tanana".

"Izay manana ny fony feno ny fitiavan'i Kristy, dia hanaraka ny ohatr'llay nanjary mahantra, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Ny vola, ny fotoana, ny hery miasa mangina dia samy fanomezana noraisiny avy eo am-pelatanan'Andriamanitra ary tsy hisy vidiny izany raha tsy ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampandroso ny asan'ny Filazantsara. Toy izany ny tao amin'ny fiangonana voalohany; ary rehefa hita ao amin'ny fiangonana ankehitriny fa nanala ny fitiavany tsy ho eo amin'ny zavatra eo amin'izao tontolo izao ny mambra noho ny herin'ny Fanahy, ka sitrapony ny hanao fahafoizan-tena mba hahazoan'ireo mpiara-belona aminy mandre ny Filazantsara, amin'izay dia hanan-kery indrindra amin'ny mpihaino ireo fahamarinana notorina." - VM, tt. 65,66.

"Tsy mila ny fanatitsika ny Tompo. Tsy afaka mampanan-karena Azy amin'ny alalan'ny fanomezana atolotsika Azy isika. Hoy ny mpanao Salamo: 'Fa avy Aminao ny zavatra rehetra, ary avy Aminao ihany no nanomezanay Anao.' - 1 Tant. 29:14. Avelan'Andriamanitra haneho ny fankasitrahantsika ny fahatsarany anefa isika, amin'ny alalan'ny ezaka feno fahafoizan-tena, ka hampita izany fahatsarany izany amin'ny hafa. lo no fomba tokana ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Tsy nisy fomba hafa nomeny ankoatra io." - TFM, t. 16.

"Akory ny halehiben'ny fanomezana natolotr'Andriamanitra ny olombelona! Manao ahoana loatra izao Andriamanitsika izao, izay nanao izany! Tampim-pahafoizana tsy manan-tsahala no nanomezany, mba hahafahany mamonjy ny zanak'olombelona mpikomy sy hitarika azy ireo hahita ny tanjony sy hahalala ny fitiavany. Tianao ve ny haneho amin'ny alalan'ny fanomezanao sy ny fanatitra ataonao fa tsy misy zavatra tsara loatra ka tsy tokony hatolotra Azy, Izay nanome 'ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay?" - RH, 15 Mey 1900.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino lalina kokoa ny 2 Kor. 8:9. Nahoana no tena zava-dehibe ny ohatra nomen'l Jesôsy raha ny momba ny fitantanam-pananana no resahina?

2. Ny Jao. 3:16 dia maneho fa ny fanomezana no fitenin'ny lanitra. Vakio ny Jao. 15:13; Efes. 5:2,25; Gal. 2:19,20; ary ny 1 Jao. 3:16. Inona no iraisan'ireo andalan-teny ireo amin'ny Jao. 3:16, ary inona ny hafatra azontsika raisina avy amin'izany?

3. Araka ny voalaza ao amin'ny 2 Kor. 8-9, inona avy ireo tombontsoa manokana azo vokatry ny fanomezana?

4. Ankoatra ny fanaovana fanatitra ara-drafitra, inona avy ireo zavatra hafa azonao atao mba hanahafanao ny ohatra nasehon'i Jesôsy ny amin'ny fahafoizan-tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal