Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"

Daty
Alahady 08 June 2025

MOSARY TANY AMIN'NY "TRANON'NY MOFO"

Matetika ireo mpitsikera ny finoana kristianina no manondro ny toe-javatra feno herisetra eo amin'ny fiainana eto amin'ity tontolo ity ho porofo fa: (a) tsy misy Andriamanitra, na koa (b) tsy manan-kery hoenti-misalovana Izy rehefa mitranga ny toe-javatra ratsy, na (d) tsy rototra Izy rehefa azom-pahoriana isika. Maro amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly anefa no mitondra porofo marobe izay maneho fa tsy misy marina ireo fiheverana ireo. Avelan'Andriamanitra mijinja ny vokatry ny fikomiany Aminy tokoa ny taranak'olombelona, nefa eo mandrakariva Izy, miasa ao amin'ny tantara, mitantana antsika handroso ho amin'ny famahana faratampony ny olan'ny fahotana sy ny fahoriana, ary ataony ao anatin'ny fanajana ny safidy malalaka ananantsika izany. Ny tantaran'i Rota no maneho izany ohatra izany.

Vakio ny Rota 1:1-5. Inona ireo zava-tsarotra nianjady tamin'i Naomy sy i Rota, ary inona no nahatonga izany? Ahoana no anehoan'izany taratra ny toe-javatra atrehin'ny taranak'olombelona iray manontolo ankehitriny?

Misy toe-javatra toa maneso ao amin'ny fampidirana ity tantara ity: nisy mosary tany Betlehema, tanana iray izay manana anarana midika hoe: "tranon'ny mofo." Mampahatsiahy ny zavatra marobe hita tao Edena izany, raha nilaza tamin'i Adama sy i Eva Andriamanitra hoe: "Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany" - Gen. 2:16. Tao anatin'ny harena no niantombohan'ny fisian'ny taranak'olombelona, teo ambany fiahian'ilay Mpamorona malala-tanana, saingy natakalon'izy ireo ny fanandevozan'ny fahotana ny toerany amin'ny maha-mpitandrina ny zavaboary azy. Hoy i Jehôvah tamin'i Adama: "Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao." Gen. 3:19.

Tahaka an'i Naomy, isika koa dia namoy ny lova rehetra izay nokasain Andriamanitra ho antsika tany am-piandohana, ary nanjary zava-tsarotra ny fiainantsika. Natolotra ho fanomezana i Edena, saingy nisy fepetra izany: nanana fahalalahana ny hikomy ny olombelona nefa midika izany fa izy no tsy maintsy handray andraikitra momba ny fiainany. Tany am-piandohana, isika dia nokendrena "hampanompo" ny tontolo iray manontolo izay tsy lavo, teo ambany fitahian'Andriamanitra; izao anefa dia tontolo iray lavo no anjakantsika. Miteraka aretim-po sy fahoriana ny fifandrafian'ny olombelona tia tena noho ny amin'ny harem-bitsy sy voafetra.

Tsy hay lazaina ny toe-javatra mahonena: mbola mamokatra be hatrany ny tany, fanehoana miezinezina ny fitiavan'Andriamanitra izany. Eo anatrehan'ny fimatimatesan'ny olombelona amin'ny harena sy ny fandravan'ny fahotana anefa dia toa isika indray no ampanompoan'ny tany fa tsy manjaka aminy tsy akory. Na izany aza, dia hifarana izany rehetra izany, indray andro any.

Na dia enina arivo taona taorian'ny nisian'ny fahotana sy ny fahafatesana aza, ahoana no mbola anehoan'ny tany ireo zava-mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny hery hoenti-mamorona ananany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal