Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.

Daty
Alarobia 24 June 2026

Efa nisy nanontany ve ianao ny amin'izay zavatra irinao hatao indrindra any amin'ny mandrakizay? Raha manontany ankizy iray ianao, dia mety hilaza izy hoe: "mitaingina tigra", "migorisa avy eo amin'ny vozon'ny zirafy", na "manidina ho any amin'ny planeta hafa." Raha tanora no anontanianao dia mety hilaza izy hoe: "ny tsy hanao entimody intsony" na "hizaha ny lanitra miaraka amin'ny namana tsy misy maratra." Ary raha olon-dehibe vitsivitsy kosa no anontanianao dia mety hilaza izy ireo hoe: "ny hitoetra ao amin'ny toerana iray tsy misy fanaintainana sy fijaliana, na fahafatesana intsony" na koa ny "ho tafahaona indray amin'ireo hava-malala." Marina sy tsara avokoa ireo valiny ireo, ary be dia be ny zavatra azo andrandraina any amin'ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Mirehitra ao am-pontsika ny mandrakizay, ary fantatsika ao anatintsika lalina fa mihoatra lavitra noho izay eto sy ny ankehitriny ny fiainana.

Inona koa ireo fitahiana andrandraintsika ho azo any amin'ny mandrakizay? Vakio ny Isa. 25:8; Apôk. 7:17; Apôk . 21:4.

Tsy isalasalana fa ny hahita an'i Jesôsy sy ny hisaotra Azy mivantana noho izay efa nataony ho antsika teto amin'ity tany lavo ity no fitahiana lehibe indrindra any an-danitra. Haniry ny hidera Azy sy hiankohoka Aminy isika noho ny namonjeny antsika tsy ho tratry ny fahafatesana mandrakizay ka niari-pahoriana teo amin'ny hazo fijaliana Izy. "Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra." Apôk. 5:12.

Raha nanondro an'i Jesôsy i Jaona Mpanao batisa, dia "Zanak'ondrin' Andriamanitra" no niantsoany Azy (Jao. 1:36). Nandre izany fanambarana izany ny roa tamin'ireo mpianatr'i Jaona ka nanaraka an'i Jesôsy (Jao. 1:37). Milaza ny Apôk. 14:4 fa tokony hanao toy izany koa isika. "ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany." -Ok. 14:4. Kanefa, raha tiantsika ny hanaraka Azy any an-danitra, dia tsy maintsy manara-dia Azy ety an-tany aloha isika.

I Jesôsy, ilay Zanak'ondry, dia Mpiandry antsika koa, ary Izy no mitarika ny Ialantsika amin'ny fomba tsy azon'iza na iza atao. Toky lehibe ho antsika izany raha eo am-piatrehana ireo zava-tsarotra isika, satria tsy hitsahatra ny hitarika antsika Jesôsy , na dia any an-danitra aza. Hoy ny Apôk. 7:17: "Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina." Amin'ny maha olony sy ondriny antsika, dia hanaraka an'i Jesosy any an-danitra isika, ary haniry ho eo amin'ny fanatrehany mandrakizay. Toetra iray mampiavaka ny vahoakan'Andriamanitra ny hoe: "ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - Apôk, 22:4. Izany hoe, hisaintsaina ny momba Azy mandrakariva isika.

Henoy na hirao ny hira faha-457 ao amin'ny fihirana advantista ary ataovy vavaka manokana ho anao ny tonony anio. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal