Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Izay mahalala ny Ray dia mahalala ny Zanaka

Daty
Talata 10 December 2024

Manerana ny filazantsaran'i Jaona, dia lazalazain'ilay Apôstôly ny fanaovan'i Jesôsy, ilay Zanaka, ny asa izay manondro ny Ray. Hazavain'i Jesôsy hoe iza ny Ray ary asehony ny Fifandraisany amin'ny tontolo misy antsika. Mifanaraka amin'ny Jao. 1:18 izany rehetra izany, izay milaza fa mampahafantatra ny Ray Izy (Grika exegeomai: manazava, maneho). Imbetsaka i Jesôsy no manao izany. In-136 no ahitana ny teny hoe Ray (pater) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary in-18 kosa ao amin'ny 1 Jaona hatramin'ny 3 Jaona. Maherin'ny iray ampahatelon'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany. Ny lahateny ho fanaovam-beloma izay nataon'i Jesôsy no anankiray amin'ny toerana ampahafantarany ny Ray ao amin'ny Filazantsara.

Solontenan'ny Ray teto an-tany i Jesôsy, ary tonga nofo mba haneho ny sitrapon'ny Ray. Raha ny marina, dia nambarany fa ny hanao ny sitrapon'ny Ray, fa tsy ny Azy, no notadiaviny amin'ny zavatra rehetra (Jao. 5:30). Toa fanambarana manaitra no fahitana izany raha atao indray mijery, kanefa maneho izany fa nilefitra tanteraka tamin'ny Ray i Jesôsy amin'ny maha-Olona Azy.

Nolazainy koa fa nirahin'ny Ray Izy mba hamita ny Asany - ny famonjena ny taranak'olombelona - ary manambara ny Asany ny Ray (Jao. 5:36-38).

Nambaran'i Jesôsy fa naniraka Azy ny Ray mba hanaovany fanompoana ka amin'ny alalany irery ihany no hahafahan'ny taranak'olombelona manatona ny Ray (Jao. 6:40,44). Irin'ny Ray ny hananan'ny olona ny fiainana mandrakizay izay ao amin'i Jesôsy, Izy izay nampanantena fa hanangana azy ireo amin'ny fananganana amin'ny maty.

Inona ny lesona omen'ireto toko sy andininy manaraka ireto antsika momba ny fifandraisan'i Jesôsy amin'ny Ray? Jao. 7:16: Jao. 8:38; Jao. 14:10,23; Jao. 15:1,9,10; Jao. 16:27,28; Jao. 17:3.

Mahatalanjona ny fanambaran'i Jesôsy mikasika ny fifandraisany amin'ny Ray. Ambarany fa ny fampianarany rehetra dia fampianaran'ny Ray, ary izay lazainy rehetra dia reny avy tamin'ny Ray; izay mino Azy dia toy ny mino ny Ray ihany; ny Teniny sy ny Asany dia samy an'ny Ray; Izy sy ny Ray dia iray ihany ao amin'ny fitiavana ny taranak'olombelona sy ny famonjena azy ireo. Fanambarana miezinezina manao ahoana re izany momba ny firaisana ety ananan'i Jesôsy amin'ilay Rainy izay any an-danitra!

Hiova manao ahoana ny fiainanao raha toa ny fisainanao sy ny asanao maneho amin'ny fahafenoany ny sitrapon'Andriamanitra ho an'izany fiainanao izany? Izany hoe, ahoana no anehoantsika misimisy kokoa fa ny zavatra fantatsika avy amin' i Jesôsy dia sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal