Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.

Daty
Alahady 07 June 2026

Na dany ny tontolo andro tamin'ny firesahana tamin'ny vahoaka marobe teo -dranomasin'i Galilia i Jesôsy .

Nony tonga ny hariva, dia niteny tamin'ny mpianany Izy: "Andeha isika hita ho eny am-pita." - Mar. 4:35. Fantatr'i Jesôsy tamin'izay fa hisy tafio-drivotra hitsoka, nefa nanolo-kevitra ny handehanan'izy ireo ihany Izy. Nanana lesona manan-danja momba ny fiainana, tiany hampianarina ireto mpanara-dia Azy akaiky indrindra ireto Izy.

Avereno vakina ny momba ilay tafio-drivotra ao amin'ny Mar. 4:35-41. Inona ny lesona momba ny finoana azonao raisina avy amin'izany?

Diniho ireto teboka ireto:

1. Resin-tory tea amin'ny ondana tokana tao an-tsambokely i Jesosy. Matetika ny sambokelin'ny mpanarato dia tsy ahitana afa-tsy ondana iray, izay fipetrahan'ny mpamily ny sambokely eo amin'ny vodisambo. lo olona eo amin'ny vodisambo io no mitarika ny sambo ho any amin'izay tanjona hitodiana. Koa eta, dia i Jesosy no eo amin'ny toeran'ny "mpamily" ny sambo saingy resin-tory tea amin'ny familiana Izy.

2. Tsy vao sambany nandeha samba tsy akory ny mpianatra rehetra. I Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia mpanjono za-draharaha. Fantatr'izy ireo tsara ny Ranomasin'i Galilia ary azo inoana fa hain'izy ireo ny fomba hampandehanana ny sambokely na dia ao anaty tafiotra aza.

3. lo no hany tantara voarakitra ao amin'ny Filazantsara izay milaza fa natory i Jesôsy. Tao anatin'ny iray amin'ireo tafio-drivotra mafy indrindra teo amin'ny fiainan'ireto mpianatra ireto, raha natahotra izy ireo ka nieritreritra fa ho faty, dia natory teo amin'ny vodisambo i Jesôsy .

4. Ny valintenin'ny mpianatra tao anatin'ny fotoan-tsarotra natrehiny dia ny hoe: "Tsy mampaninona anao ve izao?" Nisalasala ny amin'ny toetran'i Jesôsy sy ny Fitiavany azy izy ireo. 
Ao anatin'ny tsy fananana fanantenana, dia misy fotoana isika miezaka mamonjy tena (toa an'ireo mpianatra). Indraindray koa, rehefa mahatsapa fanaintainana sy mamoy olon-tiana na harena isika dia manomboka manontany na misalasala ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany antsika. Mihevitra isika fa tokony hiditra an-tsehatra amin'ny fomba iray Izy, araka izay eritreretintsika sy hitantsika amin'ny fomba fijerin'olombelona. Kanefa, tahaka ny tamin'ireo mpianatra, dia ao anatin'ny tafio-drivotry ny fiainana no ahafahan'Andriamanitra manao ny fahagagana lehibe indrindra.

Inona ny fihetsika ataonao matetika rehefa miatrika tafio-drivotra eo amin'ny fiainanao? Ahoana no fiantraikan'ny fotoana toy ireny eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra? Oviana ianao no niaina ny 2 Kôr. 5:7? 






Be asa tokoa izy my herinandro iny. Na fantany aza fa maro ny tokony hovitaina alohan'ny Sabata, dia toa lany namitana izay zavatra maika ny fotoana tokony ho an'ny zava-manan-danja, ary vetivety tsy nampoiziny dia nilentika ny masoandro. Niara-nisakafo sy nanao fanompoam-pivavahana manokana izy sy ny ankohonany ny Zoma hariva.

Saingy rehefa tonga ny marainanrny Sabata ka nifoha izy, dia tsikariny avy hatrany ny loton'ny efitrano fandroana, ka dia nodioviny izany. Avy eo, hitany fa nanditsaka am-pandriana ny zanany lahy kely, ka nalefany tao anaty milina fanasan-damba ny lamba firakotra mbamin'ny akanjo hafa. Teo am-panomanana ny sakafo maraina ho an'ny ankohonany izy no nahatsiaro fa tsy nisy tsindrin-tsakafo ho an'ny sakafo antoandro, koa nanao mofo akondro haingana izy. Hitany fa nila nopasohina koa ny lobaky ny vadiny hoentina any am-piangonana, dia nataony koa izany, avy eo namalona akanjo vitsivitsy ary namoaka ny fako ho any ivelany.

Teo vao taitra izy. Sabata ange ny andro e — andro tiako mihoatra noho ny andro hafa rehetra! Kanefa izaho ity manao izao raharaha rehetra izao, ka nila hohadinoiko ny tens tanjonlny Sabata — dia ny hanakaiky an'Andriamanitra.

Avy eo, nieritreritra vetivety izy, nanamarina ny fihetsika nataony - zavatra mila atao avokoa ireo. Tana izany tokoa ve? Tsapany fa nanao tahaka an'i Marta izy, "sahirana tamin'ny fanompoana be" - Lio. 10:40, nefa nanako tao an-tsainy ny tenin'i Jesôsy hoe: "maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra fray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy hafaina aminy."– Lio. 10:41,42. Ny anjara tsara - ny mipetraka eo an-tongotr'i Jesosy noho ny fitiavana lalina Azy —tsy rehefa Sabata ihany, fa isan'andro. Tsy nifidy izany izy tamin'io maraina io.

Tiany Andriamanitra, nefa mora taminy ny nanadino fa nomen'i Jesôsy azy ny Sabata ho fotoana hanamafisana ny fifandraisan'izy ireo. Latsaka ny ranomasony nieritreritra izany.

Ny tanjon'io ohatra io dia tsy ny hampifantoka arnin'izay azo na tsy azo atao rehefa Sabata, fa fampahatsiahivana kosa ny antony maha zava-dehibe ny fahafantarana ireo zavatra mampihena na manimba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, Rehefa mahatsapa alahelo noho ny ota sy ny fisarahana amin'Andriamanitra ny fontsika ka miantso Azy isika, dia akaiky tokoa i Jesosy (Sal. 34:18). Mihazona akanjo fotsy Izy eny an-tanany voamariky ny namantsihana Azy. Hitany ny ranomasom-pibebahantsika, ary manaisotra ny akanjontsika maloto Izy. Avy eo dia atafiny antsika manontolo ny akanjo madion'ny fahamarinany. Ny fahotana izay nibebahantsika dia saronany tanteraka amin'ny fahadiovany tsy misy tomika. Afaka manasa ny akanjontsika amin'ny rany isika (Apôk. 7:14).

Ahoana no anambaran'ny Isa. 64:5, Zak. 3:4, ary ny Isa. 61:10 io fahamarinana lehibe momba ny fahamarinan'i Kristy lo? Nahoana isika no tokony hifikitra mafy mandrakariva am in'ilay teny fikasana eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal