Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - " Vita "

Daty
Talata 17 December 2024

Araka ny hita ao amin'ny Jao. 19:17-22 dia nanisy soratra tamin'ny teny latinina, grika, sy hebreo teo amin'ny hazo fijaliana i Pilato nanao hoe: "JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY" Jao. 19:19. Naniry hanova ilay soratra ireo mpitondra fivavahana, kanefa tsy nety nanao izany i Pilato. Koa nitoetra izany soratra izany, ho vavolombelona mangina nanambara ny fahamarinana momba an'i Jesôsy , ary marika fa teo amin'ny hazo fijaliana tokoa no nametrahana an'i Jesôsy ho eo amin'ny seza fiandrianany, amin'ny maha-Mpanjaka Azy.Indro  i Jesôsy, ilay tena Mpanjakany marina, Ilay Mpanjakan'ny Jiosy, nihantona teo amin'ny hazo fijaliana toy ny olo-meloka.

"Nisy hery ambony noho ny an'i Pilato na ny an'ny Jiosy nitarika ny fametrahana ny soratra teo ambonin'ny lohan'i Jesôsy. Tamin'izany fomba izany, ny fitondran’Andriamanitra dia natao hamohafoha ny fisainana ka hanosika azy hamakafaka ny Soratra Masina." - IFM, t. 621, (ed. 2023).

Vakio ny Jao. 19:25-27. Inona ny zava-mitranga eto, izay mampihetsi-po tokoa teo amin'ny hazo fijaliana?

Anisan'ireo nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana tamin'io fotoana io i Jaona, ilay mpianatra malala, sy i Maria renin'i Jesôsy, ary ny hafa koa. Taona maro talohan'io no efa nilazan'i Simeona io fanandramana mangidy io, rehefa nentin'i Josefa sy i Maria tao an-tempoly i Jesôsy mba hatolotra ho an'ny Tompo (ampitahao amin'ny Lio. 2:34). Efa ho faty izao i Jesôsy no miteny amin'ny reniny hoe: "Ravehivavy, indro ny zanakao!" ary amin'i Jaona hoe: "Indro ny reninao!" - Jao. 19:26,27.

Vakio ny Jao. 19:28-30. Inona ny hevitr'ilay tenin'i Jesôsy teo am-pialana aina hoe: "Vita"?

Ilay matoanteny grika hoe teleő (mamita, manatanteraka, manatontosa), izay ampiasaina ao amin'ny and. 28 ihany ("efa vita ny zavatra rehetra") no ampiasaina koa ao amin'ny andininy 30 ("Vita"). Ankoatra izany dia misy teny anankiray mifandray aminy koa, teleioō (mamita, mandavorary), hita miverina ao amin'ny and. 28, hilazana ny fahatanterahan'ny Soratra Masina ("mba hahatanteraka ny Soratra Masina"). Na mampivarahontsana aza ny toe-javatra teto, dia vita ny zavatra rehetra, tontosa, tanteraka.

Rehefa niteny i Jesôsy hoe: "Vita" dia nahavita, nahatanteraka ny asa nanirahan'ny Ray Azy Izy.

Rehefa niteny i Jesôsy hoe "Vita", midika inona ho an'ny tsirairay avy amintsika izany? Inona no vita, ary ahoana no fisehon'izany eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal