Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Foana ny fasana.

Daty
Alarobia 18 December 2024

Vakio ny Jao. 20:1-7. Inona no maha-zava- dehibe ho antsika ny toe-javatra voasoritsoritra ao amin'ireo andininy ireo?

Ny folakandron'ny Zoma i Jesôsy no maty, ary ny marainan'ny Alahady no nitsanganany tamin'ny maty. Natao maika ny fandevenana an'i Jesôsy  ary tsy vita tsara araka ny fomba (Jao. 19:42). Na lehibe toy inona aza ny fitiavan'ny mpianatra an'i Jesôsy dia nitandrina ny Sabata izy ireo ary tsy nandeha tany amin'ny fasana (ampitahao amin'ny Mar. 16:1; Lio. 23:56). Taorian'ny Sabata, ny Alahady maraina, dia vehivavy maromaro no nitondra zava-manitra ho any amin'ny fasana. Taitra mafy izy ireo fa efa voakodia ny vato, ary foana ny fasana.

Anisan'ny tonga vao maraina tany amin'ny fasana i Maria Magdalena. Nihazakazaka nilaza tamin'i Petera sy i Jaona ny zavatra hitany izy. Dia nihazakazaka tany koa izy roa lahy, fa i Jaona no tonga talohan'i Petera. Rehefa niondrika nitsirika tao izy dia nahita ny lambam-paty namonosana an'i Jesôsy nipetraka teo. Kanefa tsy niditra izy.

I Petera kosa niditra tao, ary nahita izany koa, saingy hitany fa ilay mosara nafehy ny lohan'i Jesôsy dia tsy niaraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana.

Vakio ny Jao. 20:5-7. Midika inona ilay mosara nafehy ny lohan'i Jesôsy voavalona mitokana?

Rehefa niditra tao amin'ny fasana i Petera dia niditra koa i Jaona. Voalaza ao amin'ny Jao. 20:8 fa niditra izy, dia nahita ka nino. Nahoana ny fahitana ny lambam-paty nipetraka teo sy ilay mosara nivalona mitokana no nahatonga an'i Jaona hino fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy?

Mba hamaliana izany fanontaniana izany dia ilaintsika aloha ny mamantatra ny antony nahafoana ny fasana. Misy ny mpamaky fasana, izany no mety ho tonga ao an-tsaina voalohany. Kanefa tsy mitombina izany noho ireto antony telo ireto: Voalohany, voalaza ao amin'ny Matio fa nambenana ny fasana (Mat. 27:62-66), koa sarotra ihany ny mety ho namakiana azy. Faharoa, izay zavatra sarobidy ao amin'ny fasana no angalarin'ny mpamaky fasana fa tsy faty efa mihaló. Fahatelo, ao anatin'ny fahamaizana no anaovan'ny mpamaky fasana ny asa ratsiny, koa tsy handany andro hamalona lambam-paty izy. Tsy mahagaga, araka izany, raha nino i Jaona rehefa nahita ilay mosara navalona, fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal