Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 14 December 2024
Hodinihina mandritra ny herinandro:

Jao. 18:33-19:5; Jao. 19:17-22; Jao. 19:25-27; Lio. 2:34,35; Jao. 20:1-18; 1 Kôr. 15:12-20.

Tsianjery:

"Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesôsy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Ny nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin'ny maty no mamarana ny filazantsaran'i Jaona. Tao anatin'ny telo taona sy tapany teo ho eo no nitrangan'ireo toe-javatra voatantara ao amin'ireo toko 10 voalohany ao amin'ny Jaona; ary tao anatin'ny herinandro iray na roa kosa ny voalaza ao amin'ny toko 11-20.

Samy manana ny fomba itantarany ny fahafatesan'i Jesôsy ireo filazantsara efatra. Na dia mifanaraka aza ny fitantaran'izy ireo, ny mpanoratra tsirairay dia manasongadina izay teboka hitany fa mifandrindra amin'ny lohahevitra voiziny ao amin'ny filazantsarany. Manasongadina ny fahatanterahan'ny Soratra Masina i Matio; i Marka kosa manasongadina ny fifandraisan'ny batisan'i Jesôsy sy ny hazo fijaliana; ary i Lioka mifantoka amin'ny hazo fijaliana sy ny fanasitranana ary ny famonjena (ny tantaran'ilay jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana).

I Jaona indray dia maneho ny hazo fijaliana ho toy ny fametrahana an'i Jesôsy eo amin'ny seza fiandrianany, izay mifandraika manokana amin'ilay ora na fotoana voaresaka imbetsaka manerana ny bokiny (Jao. 7:30; Jao. 8:20; Jao. 12:27). Toa maneso ilay hoe fametrahana eo amin'ny seza fiandrianana; ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana mantsy no fomba mahatsiravina sy mahamenatra indrindra nampiasain'ny Romanina hamonoana olona. lo fifanoherana io indrindra no soritsoritan'i Jaona: maty tao anatin'ny henatra i Jesôsy, kanefa io koa no fotoana be voninahitra nametrahana Azy teo amin'ny seza fiandrianany, amin'ny maha-Mpamonjy Azy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal