Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 19 December 2025

Fianarana fanampiny

Vakio ny PM, tt. 522-524, "Teny farany nataon'i Josoa".

"Maro ny olona voafitaka amin'ny fiheverana mahafinaritra atsipin'i Satana, fa lehibe loatra ny-fitiavan'Andriamanitra ny olony, ka mahatonga Azy tsy hijery ny fahadisoany; ary ny loza lazainy dia tsy ho tanteraka ara-bakiteny akory, fa nisy zavatra hafa nikendreny azy eo amin'ny fanjakany ara-panahy. Tsy marina izany fa diso: tsy misy fitsipi-pahamarinana na dia iray aza lavin'Andriamanitra, jereny amin'ny tena endriny ny fahotana; ary milaza marimarina Izy fa fijaliana sy fahafatesana no vokatra tsy maintsy aterany. Tsy mbola nanome ary tsy hanome na oviana na oviana famelan-keloka tsy misy fepetra ho an'ny mpanota Andriamanitra. Aminy, izany karazam-pamelan-keloka izany, dia fialana amin'ny fitsipi-pahamarinana izay fototra iorenan'ny fanjakany, ka mety hanaketraka ny fon'ireo voary tsy mbola lavo. Raha tahiny ka tsy marina ny vokatry ny fahotana hita porofo mazava, dia hatao ahoana ny hino ny soa mety ho azo avy amin'ny fahadiovam-pitondrantena? Ny hatsaram-panahy tsy misy fahamarinana, dia fahalemena fa tsy fahatsaram-panahy.

"Tompon'ny aina Andriamanitra. Ny lalana rehetra nomena dia natao mba hampaharitra mandrakizay izany aina izany. Teo amin'izay nalamin Andriamanitra anefa no nampidiran'ny fahotana fikorontanana. Koa raha mbola maharitra koa ny fahotana, dia tsy azo sakanana ny fijaliana sy ny fahafatesana. Soa ihany fa noho ny nataon'ny Mpanavotra, Izay nisolo antsika nitondra ny habokam-pahotana, no ahazoantsika manantena ho afaka isan'olona amin'ny voka-dratsiny mahatsiravina." - PM, tt. 523,524 (пр).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Avereno dinihina ny porofon'ny fahatokian'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao. Inona no azonao lazaina? Etsy andaniny anefa, ahoana no fihetsikao rehefa tsy araka izay nantenainao na nangatahinao tamim-bavaka ny toe-javatra miseho, na rehefa toa tsy mivaly ny fitakianao ireo teny fikasana?

2. Ifanakalozy hevitra ny voalazan'ny Baiboly momba ny fahatezeran'Andriamanitra. Ahoana no hanehoanao ny fahatezeran'i Jehôvah ho ampahany amin'ny vaovao mahafaly?

3. Inona avy ireo lesona voarainao avy amin'ny fianarantsika tamin'ity herinandro ity mikasika ny fikambanana amin'ny tsy mpino? Ahoana no ahaizantsika mandanjalanja ny hoe: mila mametraka faritra mazava isika mba hampiavaka antsika amin'ny foto-kevitra sy ny fomba amam-panao, kanefa koa mila mifandray sy mifangaro amin'ny olona isika mba hanompo sy hikarakara azy ireo?

4. Inona avy no manakana anao tsy hifikitra amin'i Jehôvah amin'ny fonao manontolo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal