Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.

Daty
Alatsinainy 15 September 2025

MBA HAHALALAKO ANAO

Vakio ny Eks. 33:12-17. Inona no nangatahin'i Mosesy mba hampianarin Andriamanitra azy? Nahoana izy no nangataka ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitarika azy ireo?

Nitohy fa tsy tapatapakany fitomboan'i Mosesytaoamin'Andriamanitra. Nihananakaiky ny Tompo hatrany hatrany izy ary naniry fatratra ny hanahaka an'Andriamanitra. Indray andro, raha niresaka tamin'i Jehovah tao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy, dia tsapany tampoka fa tsy mahalala an'Andriamanitra izy ka nanoriona vavaka manokana: "ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao" - Eks. 33:13. Tsapany ny filany fatratra hahatakatra ny momba an'Andriamanitra amin'ny ambaratonga vaovao. Hitany fa arakaraka ny nahalalany an'i Jehovah no nampanjavozavo ny fahatakarany ny momba Azy. Tsapany sy nekeny ny zavatra nilainy ary niriny tamin'ny fony manontolo ny hahalala an'Andriamanitra bebe kokoa. Neken'Andriamanitra ny hamaly ny faniriany.

Raha jerentsika ny fanandraman'i Mosesy hatreto, dia hitantsika fa nanana fifandraisana lalina kokoa sy ety tamin'Andriamanitra izy, ary nitombo tokoa teo amin'ny lafiny ara-panahy.

Voalohany, dia niakatra ny tendrombohitra izy ary "niakatra ho ao amin'Andriamanitra" -Eks. 19:3. Rehefa izay, dia niakatra "teo an-tampon'ny tendrombohitra" izy (Eks. 19:20) ary nanatona ny rahona, dia "ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra." - Eks. 20:21.

Tamin'ny fotoana hafa indray, dia "niditra tao afovoan'ny rahona," izay nisy an'Andriamanitra, i Mosesy, ary nijanona niaraka tamin'i Jehovah 40 andro sy 40 alina (Eks. 24:18). Nomen' Andriamanitra fanomezan-tsarobidy roa izy nandritra ireo 40 andro ireo: (1) ny Didy folo izay ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy teo ambonin'ny vato fisaka roa (Eks. 24:12), ary (2) ny toromarika momba ny fanorenana ny tabernakely sy ny fanaka ao aminy (jereo ny Eks. 25-31).

Nisy 40 andro sy alina hafa indray niarahany tamin'Andriamanitra taorian izany, izay nanaovany fanelanelanana ho an'ireo mpanota (Eks. 32:30-32; Deo. 9:18).

Na dia taorian'izany rehetra izany aza, dia nirin'i Mosesy ny hahalala ny toetran'Andriamanitra amin'ny fomba mazava kokoa, ary tsy ela dia nomen'Andriamanitra fanehoana manokana izy mba hahatakarany ny Toetrany. Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny momba an'Andriamanitra no nirin'i Mosesy fa fahalalana Azy araka ny fanandramana iainana mihitsy.

Tsy mahagaga raha nilaza izao teny izao | Jesosy, taonjato maro taty aoriana: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Jao. 17:3. Mba hampahafantaran Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, inona moa ny fomba tsara kokoa noho ny fahatongavany ho Olona mihitsy?

Mahalala an'Andriamanitra ve ianao, sa mahafanta-javatra momba Azy fotsiny ihany? Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal