Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.

Daty
Alatsinainy 15 September 2025

MBA HAHALALAKO ANAO

Vakio ny Eks. 33:12-17. Inona no nangatahin'i Mosesy mba hampianarin’Andriamanitra azy? Nahoana izy no nangataka ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitarika azy ireo?

Nitohy fa tsy tapatapakany fitomboan'i Mosesytaoamin'Andriamanitra. Nihananakaiky ny Tompo hatrany hatrany izy ary naniry fatratra ny hanahaka an'Andriamanitra. Indray andro, raha niresaka tamin'i Jehôvah tao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy, dia tsapany tampoka fa tsy mahalala an'Andriamanitra izy ka nanoriona vavaka manokana: "ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao" - Eks. 33:13. Tsapany ny filany fatratra hahatakatra ny momba an'Andriamanitra amin'ny ambaratonga vaovao. Hitany fa arakaraka ny nahalalany an'i Jehôvah no nampanjavozavo ny fahatakarany ny momba Azy. Tsapany sy nekeny ny zavatra nilainy ary niriny tamin'ny fony manontolo ny hahalala an'Andriamanitra bebe kokoa. Neken'Andriamanitra ny hamaly ny faniriany.

Raha jerentsika ny fanandraman'i Mosesy hatreto, dia hitantsika fa nanana fifandraisana lalina kokoa sy ety tamin'Andriamanitra izy, ary nitombo tokoa teo amin'ny lafiny ara-panahy.

Voalohany, dia niakatra ny tendrombohitra izy ary "niakatra ho ao amin'Andriamanitra" -Eks. 19:3. Rehefa izay, dia niakatra "teo an-tampon'ny tendrombohitra" izy (Eks. 19:20) ary nanatona ny rahona, dia "ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra." - Eks. 20:21.

Tamin'ny fotoana hafa indray, dia "niditra tao afovoan'ny rahona," izay nisy an'Andriamanitra, i Mosesy, ary nijanona niaraka tamin'i Jehôvah 40 andro sy 40 alina (Eks. 24:18). Nomen'Andriamanitra fanomezan-tsarobidy roa izy nandritra ireo 40 andro ireo: (1) ny Didy folo izay ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy teo ambonin'ny vato fisaka roa (Eks. 24:12), ary (2) ny toromarika momba ny fanorenana ny tabernakely sy ny fanaka ao aminy (jereo ny Eks. 25-31).

Nisy 40 andro sy alina hafa indray niarahany tamin'Andriamanitra taorian’izany, izay nanaovany fanelanelanana ho an'ireo mpanota (Eks. 32:30-32; Deo. 9:18).

Na dia taorian'izany rehetra izany aza, dia nirin'i Mosesy ny hahalala ny toetran'Andriamanitra amin'ny fomba mazava kokoa, ary tsy ela dia nomen'Andriamanitra fanehoana manokana izy mba hahatakarany ny Toetrany. Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny momba an'Andriamanitra no nirin'i Mosesy fa fahalalana Azy araka ny fanandramana iainana mihitsy.

Tsy mahagaga raha nilaza izao teny izao | Jesôsy , taonjato maro taty aoriana: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Jao. 17:3. Mba hampahafantaran Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, inona moa ny fomba tsara kokoa noho ny fahatongavany ho Olona mihitsy?

Mahalala an'Andriamanitra ve ianao, sa mahafanta-javatra momba Azy fotsiny ihany? Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal