Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.

Daty
Alatsinainy 16 March 2026

Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan-tokantrano ny zanaka. Tsara ny hampahafantarana azy ireo fa tiana izy ary omena tombambidy amin'ny maha isan'ny ankohonana sy olom-pirenen'ny fanjakan'ny lanitra azy. Manan-danja tokoa ny fiaraha-mivavaka ataon'ny mpianakavy, fivavahana izay tsotra nefa mitohy, ary atao marain-tsy hariva. Raha mbola kely ny ankizy dia efa afaka manampy ny ray aman-dreny amin'ny fanadiovana sy ny andraikitra hafa. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia tokony hanaraka ny baiko nomen'i Paoly izy ireo, manao hoe: "Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany." - Köl. 3:20.

Vakio ireto andalan-tSoratra Masina manaraka ireto. Inona avy ny fitsipika omena ao mikasika ny fitaizana?

Ohab. 22:6,15 ……………………..……………………..……………………..…………………………….

Mat. 19:14 ……………………..……………………..……………………..……………………..………….

Deo. 6:6,7 ……………………..……………………..……………………..……………………..………….

Ohab. 1:8,9 ……………………..……………………..……………………..……………………..………..

Ho fitahiana ho an'ny fianakaviana sy ny fiangonana ary ny hafa koa ny zanaka raha toa beazina araka ny tokony ho izy ho an'ny Tompo, amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny ohatra. Ary ny torolalana omen'i Paoly ny ray aman-dreny. tahaka izay nomeny ny mpivady, dia mifandanja sy mifamaly koa: "Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao hamoy fo izy." - Kōl. 3:21. Misy fiantraikany lalina eo amin'ny fitaizana ny fomba fifandraisan'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka (ny ray indrindra indrindra) sy ny fifehezany azy ireo.

Asehon'ny fikarohana koa fa raha mankany am-piangonana ny ray sy ny reny, dia ambony kokoa ny tahan'ny fankanesan'ny zanaka any am-plangonana tsy tapaka. Mifanohitra amin' amin'izany no mitranga raha ny ray na ny reny ihany no mankany am-piangonana. Mahagaga kokoa noho izany anefa, fa ny fankanesan'ny raim-pianakaviana any am-piangonana, mihoatra noho ny fandehanan'ny reny no mahatonga ny olona maro hazoto ho any am-piangonana tsy tapaka rehefa tonga olon-dehibe. Araka izany, dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny anjara asan'ny raim-pianakaviana eo amin'ny famolavolana ny zanany amin'ny lafiny ara-panahy. Zava-dehibe loatra ny hanaovany izany amim-pahamatorana.

Na izany aza, dia tsy ny raim-pianakaviana rehetra no mendrika halain'ny zanany tahaka (raha lazaina amin'ny fomba malefaka kokoa izany). Mitondra ny fanasitranana ilaintsika kosa ny fahafantarana fa Raintsika Andriamanitra, indrindra raha niteraka ratra lalina tao amintsika ny ray niteraka antsika. Amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal