Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 10:1-17; Jer. 9:24; 2 Kor. 11:1-15, 22-28; 2 Kor. 12:20, 21; 2 Kor. 13:5.
Tsianjery
"Fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy."- 2 Kor. 10:4
Efa maro ny olana natrehin'i Paoly, nefa indro mbola nisy olana iray hafa indray tsy maintsy novahana: ireo mpampianatra sandoka tao amin'ny fiangonana. Nanohitra azy sy ny asany ary ny fanompoana nataony ireny olona ireny. Ary ratsy kokoa noho izany aza ny namilian'ireo mpampianatra sandoka ireo ny sain'ireo mambra tany Korinto. Nantsoin'i Pa oly hoe ady aга-panahy ny famahana izany olana izany.
Filaza masaka ve izany? Tsia. Fantatr'i Paoly fa tsy ny tenany no notoherin'ireo olona ireo fa i Kristy mihitsy. Tsy karazan'irony mpitarika tia tena irony i Paoly, izay tsy manana fanahiana afa-tsy izay mahakasika ny lazany, izany mantsy no mampanan-kery ny fahefan'izy ireo amin'ireo olom-peheziny. Fantatr'i Paoly fa miankina aman'aina ny hafatra nampitondraina azy, ary mandrakizay no vokatr'izany. Ary fantany koa fa Andriamanitra mihitsy no naniraka azy hítondra izany: "Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesôsy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra."- 1 Kor. 1:1.
Rehefa miresaka momba ny mpampianatra sandoka, dia tokony hanao asam-pitiavana nefa hentitra ny fiangonana, dia araka izay fahefan'ny Soratra Masina. Tsy maintsy tandrovana tsy ho voaloto ny hafatry ny Filazantsara, mba hanomezana fanantenana momba ny mandrakizay amin'ny fanahy maro.
*Famerenana ny lesona ny sabata 19 Septambra .