Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Iza no namako.

Daty
Alakamisy 20 March 2025

Ao amin'ny fitantaran'i Lioka, taoriana indrindran'ny fanambaran'i Jesõsy ireo didy roa lehibe momba ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana, dia nisy mpahay lalana "ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesôsy hoe: Iza ary no namako?" Lio. 10:29. Ho setrin'izany, dia nanao fanoharana tsy mahazatra, nefa manaitra, mikasika ilay Samaritana tsara fanahy i Jesôsy.

Vakio ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin'ny Lio. 10:25-37. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo izay mifandraika amin'ny antso ataon'ny mpaminany ny mba hanehoana famindrampo sy rariny ary koa momba ireo karazana tsy rariny ataon'ny olona samy hafa amin'ny "namany" teo amin'ny tantara manontolo?

Tsy hoe niresaka momba ny rariny fotsiny i Jesôsy fa tonga mba hampanjaka izany Izy. Tamin'izany andro izany sy amin'ny hoavy, dia Izy no fahatanterahan'ny antsoantson'ny mpaminany sy ny faniriana mahakasika ny fahamarinana (jereo ny Lio. 4:16-21 sy ny Isa. 61:1,2). Izy no irin'ny firenena rehetra, indrindra ireo izay mahatsapa fa mila fanafahana.

Mifanohitra tanteraka amin'ilay fahavalo izay nandroba fahefana sy nitady handrombaka ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Jesôsy satria nampietry ny Tenany Izy ka nanaiky hitovy amin'ireo izay eo ambany vahohon'ny fahotana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana (nefa Izy tsy mba nanota); nandresy ny fahavalo Izy tamin'ny nanolorany ny Ainy tamim-pitiavana mba hampiorenana ny rariny tahaka ny Anankiray izay marina sy Mpanamarina ny olona rehetra mino. Ahoana no ilazantsika fa mihevitra momba ny lalana izay nanoloran'i Kristy ny Ainy isika raha toa tsy miraika manoloana izay antsoin'i Kristy hoe "izay lehibe amin'ny lalana"?

Hoy ny Sal. 9:8,9: "Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy." Manampy izany koa ny Sal. 146:7-9 ka milaza fa "manome rariny ho an'ny ampahorina" Andriamanitra ary "manome hanina ho an'ny noana. Jehôvah mamaha ny mpifatotra; Jehôvah mampahiratra ny jamba; Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehôvah tia ny marina; Jehôvah miaro ny vahiny ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa."

Manao ahoana ny fanambarana mazava ataon'ny Tenin'Andriamanitra momba ny tokony hiezahantsika hiasa amin'ireo manodidina antsika izay mijaly sy mila fanampiana?

Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny asany mahakasika ny fanatrarana ireo izay mila fanampiana? Na dia tsy mahay manao fahagagana tahaka izay nataony aza isika, ahoana no hahatonga ny fanampiantsika ho "fahagagana" ho an'ny olona maro azom-pahoriana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal