Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Ny fahotana roa lehibe.

Daty
Alatsinainy 17 March 2025

I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no didy lehibe indrindra. Mitaky fahafoizan-tena izay maneho amin'ny fomba azo tsapain-tanana ny fitiavana ny hafa ny fampiharana ireo fitsipika ireo; izany tokoa no atao hoe manaraka ny dian'i Jesôsy .

Raha toa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa no didy roa lehibe indrindra, inona àry ny fahotana roa lehibe indrindra?

Vakio ny Sal. 135:13-19. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fahotana asongadina manerana ny Soratra Masina?

Manohy manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra ny Testamenta Taloha (jereo ny Deo. 6:5). Mifandray akaiky amin'ny fahotana lehiben'ny fanompoan-tsampy izany, izay mifanohitra amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.

Vakio ny Zak. 7:9-12. Araka izay ambaran'ny mpaminany Zakaria amin'ireo andalan-teny ireo, inona no melohin'Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan'izany sy ny fahotan'ny fanompoan-tsampy amin'ireo didy roa lehibe indrindra?

Tsy ny fanompoan-tsampy ihany no manetsika ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny fitiavany, fa ny fampahoriana ny olony koa, na mahakasika olona iray izany na antokon'olona. Mampahatezitra an'Andriamanitra ny tsy rariny satria Izy dia fitiavana.

Ny fandikana ireo didy roa lehibe indrindra ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no fahotana roa lehibe asongadina manerana ny Testamenta Taloha. Ny tsy fananana fitiavana, araka izany, no fahotana roa lehibe indrindra. Raha fintinina, tsy hain'ny olona ny hitandrina ny didy raha toa izy tsy tia an'Andriamanitra sy mankahala ny namany.

Izao tokoa no ambaran'ny 1 Jao. 4:20,21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa."

Ahoana no anazavanao ny antony tsy ahafahan'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana misaraka? Ahoana no ahatakaranao izany fifandraisana tsy azo tapahina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal