Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 26 December 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Teny farany nataon'l Josoà", tt. 523-526 ao amin'ny PM.

"Tamin'ireo vahoaka betsaka nivoaka avy tany Egypta, dia maro no nivavaka tamin'ny sampy. Nahery tokoa ny fahazarana ka nitohy tao amin'ny miafina izany fomba fanao izany, eny fa na taorian'ny fanorenam-ponenana tao Kanana aza. Fantatr'i Josoa ny fisian'izany faharatsiana izany teo anivon'ny Isiraelita, ary tsinjony miharihary tokoa ireo loza haterany. Niriny fatratra ny hahita fanavaozana tanteraka teo amin'ireo vahoaka hebreo. Fantany fa raha tsy manapa-kevitra ny hanompo an'i Jehôvah amin'ny fony rehetra izy ireo, dia hanohy hihataka Aminy hatrany hatrany. (...) Ampahany tamin'ireo vahoaka hebreo ireo no mpivavaka marina, fa ny ankamaroany kosa dia mpanaraka fombafombam-pivavahana fotsiny ihany, samy tsy hita teo amin'ny fanompoany na ny hafanam-po na ny fitiavana. Nanompo sampy tao am-pony ny sasany saingy menatra ny hiaiky marina izany." - ST, 19 Mey 1881.

"Voarakitra tao amin'ny bokin'ny lalana io fanekena io mba ho voatahiry amim-pahamasinana. Rehefa izay dia nanangana vato lehibe iray teo ambanin'ny hazo terebinta i Josoa, teo anilan'ny tabernakelin'i Jehôvah . 'Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo hianareo.' Mazava ny fanambaran'i Josoa eto fa ny toromarika sy ny fampitandremana nolazainy tamin'ny vahoaka dia tsy teniny tsy akory fa tenin'Andriamanitra. lo vato lehibe io no hampahatsiahy an'ireo taranaka mifandimby ny toe-javatra niseho izay tokony hotsaroan'izy ireo, ary koa ho vavolombelona hanameloka ny vahoaka raha toa izy ireo ka mitotongana ho amin'ny fanompoan-tsampy indray." - ST, 26 Mey 1881.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny dikan'izao andalan-teny izao: "fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro" - Jos. 24:19. Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny fahasaro-piaron'Andriamanitra?

2. Ahoana no ifandraisan'ny fitiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fahafa-hana misafidy nomeny antsika? Izany hoe, afaka ny ho tia Azy marina tokoa ve isika raha toa tsy tena nanana fahalalahana? Azo terena ve ny tena fitiavana? Raha tsy izany, nahoana?

3. Inona avy ny fomba ahafahan'ireo mpitarika ny fiangonana ankehitriny mampita ny fanilo amin'ny taranaka manaraka?

4. Eritrereto ny fiainan'i Josoa sy ny fehinkevitra izay milaza fa nandritra ny fotoana rehetra niainan'i Josoa dia nanompo an'i Jehôvah ny Isiraelita. Inona ny fehinkevitra tianao hataon'ny olona momba ny fiainanao

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal