Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.

Daty
Alahady 21 December 2025

TEO IANAREO!

"Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpífehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan‘ Andriamanitra izy ireo." - Jos. 24:1.

Tao Sekema no nanorenan'i Abrahama alitara ho an'i Jehôvah raha vao tonga tao amin'ny tany izy, ary tao no nanomezan'Andriamanitra azy voalohany ny teny fikasana ny momba io tany io (Gen. 12:6,7). Ankehitriny, nony tanteraka ireo teny fikasana nomena an'i Abrahama fahiny, dia manavao ny fanekeny amin'Andriamanitra ny zanak'Isiraely, eo amin'ilay toerana izay nanomezana ny teny fikasana voalohany. Ny antso nataon'i Josoa dia mampahatsiahy ireo teny nataon'i Jakoba: "Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo." Jos. 24:23; ampitahao amin'ny Gen. 35:2-4. Na ny toerana izay isehoan'ilay toe-javatra aza dia efa manao antso ny amin'ny hanehoana fankatoavana tsy mizarazara amin'Andriamanitra sy ny hahafoizana ireo "andriamanitra" hafa rehetra.

Vakio ny Jos. 24:2-13. Inona ny foto-kevi-dehiben'ny hafatra ampitain'Andriamanitra amin'ny zanak'Isiraely?

Andriamanitra no lohahevitra fototry ny lasa izay tsiahivina eto: "naka ... Aho", "naniraka... Aho", "namely", "nataoko", "nitondra anareo nivoaka Aho", "namonjy anareo tamin'ny tànany Aho", sns. Tsy ny Isiraely no mpandray anjara fototra ao anatin'io tantara io fa tantaran'izy ireo kosa no tantaraina ao. Andriamanitra no namorona azy ireo. Raha tsy niditra an-tsehatra teo amin'ny fiainan'i Abrahama Izy. dia ho nanompo ireo sampiny ihany izy ireo. Ny fisian'ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy dia tsy noho ny fahamendrehan'ireo razany fa asa manontolon'ny fahasoavan Andriamanitra. Tsy zavatra tokony hampirehareha azy ny fitoeran'ny Isiraelita tao amin'ny tany fa antony tokony hanompoan'izy ireo an'Andriamanitra.

Ahitana fiovan'ny mpisolo tena indimy ao amin'ny teny nataon'i Jehovah, avy amin'ny hoe "hianareo" mankamin'ny "izy ireo" (ny razan'izy ireo). Noraisina ho toy ny taranaka iray ihany ity taranaka tao Sekema ity sy ny razan'izy ireo. Nirin'i Josoa ny haneho amin'ny İsiraely ny zavatra izay efa voalazan'i Mosesy tao amin'ny Deo. 5:3; nambarany fa tsy ny razan'izy ireo ihany no nanaovan'i Jehôvah fanekena fa izy rehetra izay manatrika amin'io fotoana itenenany io. Ny ankamaroan ireo izay nanatrika teo dia tsy nandalo tamin'ny fanandraman'ny Eksodosy. Tsy izy "rehetra" no tany an-tendrombohitra Horeba kanefa nataon'i Josoa toy ny hoe teo izy rehetra. Izao izany raha fintinina: tokony horaisin'ny taranaka vaovao mifandimby rehetra ireo lesona nomena tamin'ny lasa. Ilay Andriamanitra izay niasa ho an'ireo razany fahiny dia vonona ny hiasa ho an'ilay taranaka ankehitriny.

Inona avy ireo fomba hahafahantsika, amin'ny maha-fiangonana antsika, manamafy ny fahatsapana ny andraikitsika; Izany hoe, mahatsapa fa miantraika amin'ny tsirairay avy ao anatin'ny fiangonana ny zavatra ataontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal